Bokin'i Ezekiela 33:24
Ry zanak’ olona, ny monina amin’ ireny rava amin’ ny tanin’ ny Isiraely ireny dia manao hoe: Ireny ihany Abrahama, nefa nandova ny tany izy, fa isika kosa dia maro, ary omena antsika ny tany ho lovantsika
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
23Dia tonga tamiko ny tenin’ i Jehovah nanao hoe:
Read all of Bokin'i Ezekiela 33
Cross References
Nehemiah 9:8ary Hianao nahita ny fony fa nahatoky teo anatrehanao, ka dia nanao ilay fanekena taminy hanome ny tanin’ ny Kananita sy ny Hetita sy ny Amorita sy ny Perizita sy ny Jebosita ary ny Girgasita ho an’ ny taranany; ary efa nahatanteraka ny teninao Hianao, satria marina Hianao.
Jeremiah 39:10Nefa ny olona malahelo izay tsy nanana na inona na inona kosa dia nisy ihany navelan’ i Nebozaradana, lehiben’ ny mpiambina, tao amin’ ny tanin’ ny Joda sady nomeny tanim-boaloboka sy tanimboly tamin’ izany andro izany.
Ezekiel 5:3Ary analao vitsivitsy ireo, ka fonosy ao amin’ ny sisin-dambanao.
Ezekiel 33:27Izao no holazainao aminy: Izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Raha velona koa Aho, dia tsy maintsy ho lavon’ ny sabatra izay ao amin’ ny tanàna rava, ary izay any an-tsaha dia homeko ho rembin’ ny bibi-dia, ary izay ao amin’ ny harambato sy amin’ ny lava-tany dia ho fatin’ ny areti-mandringana.
Ezekiel 36:4Dia mihainoa ny tenin’ i Jehovah Tompo, ry tendrombohitry ny Isiraely: Izao no lazain’ i Jehovah Tompo amin’ ny tendrombohitra sy ny havoana, ny lohasahan-driaka sy ny lohasaha ary amin’ ny korontam-bato sy ny tanàna haolo, izay efa babo sy fandatsa ho an’ ny firenena sisa amin’ ny manodidina,
Matthew 3:9ary aza manao anakampo hoe: Manana an’ i Abrahama ho rainay izahay; fa lazaiko aminareo fa Andriamanitra mahay manangana zanaka ho an’ i Abrahama avy amin’ ireto vato ireto.