Bokin'i Ezekiela 33:26
Mitoky amin’ ny sabatrareo ianareo sady manao fahavetavetana, ka samy mandoto ny vadin’ ny namany avy; koa hahazo handova ny tany va ianareo?
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'i Ezekiela 33
Cross References
Genesis 27:40Fa ny sabatrao no hivelomanao, ary ny rahalahinao no hotompoinao; kanefa, raha mby amin’ izay andro hahafahanao. Dia hotapahinao ny ziogany ho afaka amin’ ny vozonao.
Leviticus 20:13Ary raha misy lehilahy mandry amin’ ny lehilahy, tahaka ny fandry amin’ ny vehivavy, dia efa nanao fahavetavetana izy roa lahy; hatao maty tokoa izy; ny ràny dia ho aminy ihany.
Numbers 5:13fa nisy lehilahy nandry taminy, nefa tsy hitan’ ny lahy, fa miafina, ary voaloto ravehivavy, nefa tsy misy vavolombelona hiampanga azy, ary tsy azo olan-tanana izy;
Deuteronomy 4:25Raha miteraka sy ho loa-jafy koa ianao, ka efa nitoetra ela teo amin’ ny tany ianareo ary manao ratsy ka manao sarin-javatra voasokitra, araka izay endriky ny zavatra na inona na inona, sy manao ratsy eo imason’ i Jehovah Andriamanitrao ary mampahatezitra Azy,
Joshua 23:15Ary tahaka ny efa nanatanterahana taminareo ny zava-tsoa rehetra, izay nolazain’ i Jehovah Andriamanitrareo taminareo, no hanatanterahan’ i Jehovah aminareo kosa ny loza rehetra mandra-paharingany anareo tsy ho eo amin’ ity tany soa nomen’ i Jehovah Andriamanitrareo anareo ity.
1 Kings 11:5Fa Solomona nanaraka an’ i Astarta, andriamani-bavin’ ny Sidoniana, sy Milkoma, fahavetavetan’ ny Amonita.