The Bible Software
bible.software › Bokin'i Ezekiela › Bokin'i Ezekiela 36 › Bokin'i Ezekiela 36:20

Bokin'i Ezekiela 36:20

Ary nony tonga tany amin’ ny firenena izay nalehany izy, dia tonga fandotoana ny anarako masìna tamin’ ny nanaovan’ ny olona azy hoe: Ireo no olon’ i Jehovah, nefa niala tamin’ ny tanin’ i Jehovah izy.

Baiboly Malagasy (1865)

In The King James Version

And when they entered unto the heathen, whither they went, they profaned my holy name, when they said to them, These are the people of the LORD, and are gone forth out of his land.

In Context

19Ary naeliko ho any amin’ ny firenena izy ka nahahaka ho any amin’ ny tany samy hafa; araka ny fanaony sy ny asany no nitsarako azy.

21Dia namindrako fo ny anarako masìna, izay nolotoin’ ny taranak’ Isiraely tany amin’ ny firenena izay nalehany.

Read all of Bokin'i Ezekiela 36

Cross References

Exodus 32:11Fa Mosesy nifona tamin’ i Jehovah Andriamaniny ka nanao hoe: Jehovah ô, nahoana ny fahatezeranao no mirehitra amin’ ny olonao, izay nentinao nivoaka avy tany amin’ ny tany Egypta tamin’ ny hery lehibe sy ny tanana mahery?

Joshua 7:9Ary ho ren’ ny Kananita sy ny mponina rehetra amin’ ny tany izany, dia hanodidina anay izy ka hamono ny anaranay tsy ho eo amin’ ny tany intsony; ary hataonao ahoana ny anaranao lehibe?

2 Kings 18:30Ary aza mety hampahatokin’ i Hezetia an’ i Jehovah ianareo amin’ ny anaovany hoe: Jehovah no hamonjy antsika tokoa; ary tsy hatolotra eo an-tànan’ ny mpanjakan’ i Asyria tsy akory ity tanàna ity.

2 Kings 19:10Izao no holazainareo amin’ i Hezekia, mpanjakan’ ny Joda: Aza mety hofitahin’ ny Andriamanitrao Izay itokianao ianao hoe: Jerosalema tsy hatolotra eo an-tànan’ ny mpanjakan’ i Asyria.

Jeremiah 33:24Tsy hitanao va izay nolazain’ ity firenena ity hoe: Ny fianakaviana roa izay nofidin’ i Jehovah dia efa nariany; Toy izany no anamavoany ny oloko, ka dia tsy vanon-ko firenena eo imasony intsony izy.

Daniel 3:15Ankehitriny raha miomana ianareo amin’ izay handrenesanareo ny fanenon’ ny anjomara sy ny samboka sy ny valiha sy ny symponia sy ny Sobaba sy ny lokanga ary ny zava-maneno isan-karazany ka miankohoka sy mivavaka amin’ ny sariolona izay nataoko, dia tsara izany; fa raha tsy mety mivavaka kosa ianareo, dia hatsipy miaraka amin’ izay ho ao anatin’ ny lafaoro misy afo mirehitra; ary iza moa izany Andriamanitra hahavonjy anareo amin’ ny tanako izany?

This Verse In Other Editions

King James VersionBíblia Portuguesa MundialLuther Bibel (Deutsch)Bible Louis Segond (Français)Библия (Русский)新标点和合本성경 (한국어)الكتاب المقدس باللغة العربية، فان دايكBibbia Diodati (Italiano)Kinh Thánh (Tiếng Việt)Biblia Cornilescu (Română)Polish Biblia Gdanska (1881)Statenvertaling (Nederlands)

Study Bokin'i Ezekiela 36:20

Matthew HenryJamieson-Fausset-BrownAdam ClarkeJohn WesleyJohn CalvinKeil and DelitzschScofieldFamily Bible NotesGeneva Bible Notes (1599)
← Bokin'i Ezekiela 36:19Bokin'i Ezekiela 36Bokin'i Ezekiela 36:21 →