Bokin'i Ezekiela 36:23
Ary hohamasiniko ny anarako lehibe izay efa nolotoinareo tany amin’ ny jentilisa, ka dia ho fantany fa Izaho no Jehovah, hoy Jehovah Tompo, rehefa miseho ho masìna eo imasony Aho amin’ ny ataoko aminareo.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'i Ezekiela 36
Cross References
Numbers 20:12Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy sy Arona hoe: Satria tsy nino Ahy ianareo hanamasina Ahy eo imason’ ny Zanak’ Isiraely, dia tsy hitondra izao fiangonana izao ho any amin’ ny tany izay nomeko azy ianareo.
Psalms 102:13Nefa Hianao, Jehovah ô, mipetraka manjaka mandrakizay; Ary ny fahatsiarovana Anao mihatra amin’ ny taranaka fara mandimby.
Isaiah 5:16Fa Jehovah, Tompon’ ny maro, no hisandratra amin’ ny fitsarana, Ary Andriamanitra masìna dia hiseho ho masìna amin’ ny fahamarinana.
Ezekiel 28:22ka ataovy hoe: Izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Indro, efa hamely anao Aho, ry Sidona, ary hankalazaina ao ampovoanao Aho; Ka dia ho fantatra fa Izaho no Jehovah, raha manatanteraka ny fitsarana azy Aho ka miseho ho masìna amin’ ny ataoko aminy.
Ezekiel 38:22Ary hamaly azy amin’ ny areti-mandringana sy ny rà sy ny ranon’ orana manafotra ary ny havandra vaventy Aho; ary koa, handatsaka afo sy solifara aminy sy amin’ ny miaramilany mbamin’ ny firenena maro izay miaraka aminy Aho.
Ezekiel 39:7Ary ny anarako masìna dia hataoko fantatra ao amin’ ny Isiraely oloko; ary tsy havelako holotoina intsony ny anarako masìna; ka dia ho fantatry ny firenena fa Izaho no Jehovah, Izay masìna ao amin’ ny Isiraely.