Bokin'i Ezekiela 36:24
Fa halaiko avy any amin’ ny jentilisa ianareo ary hangoniko avy any amin’ ny tany rehetra ka ho entiko ho any amin’ ny taninareo.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'i Ezekiela 36
Cross References
Deuteronomy 30:4Raha misy aminao voaroaka any amin’ ny faravodilanitra, dia avy any no hanangonan’ i Jehovah Andriamanitrao anao, ary avy any indray no hanalany anao.
Psalms 107:3Sy nangoniny avy tany amin’ ny tany maro, Dia avy tany atsinanana sy andrefana ary tany avaratra sy tany amin’ ny ranomasina.
Isaiah 27:12Ary amin’ izany andro izany dia hisy fampihintsanana ataon’ i Jehovah hatramin’ ny ony mandriaka ka hatramin’ ny lohasahan-driak’ i Egypta; Ary ianareo samy hotsimponina tsirairay, ry Zanak’ Isiraely.
Isaiah 43:6Ny avaratra hilazako hoe: Avoahy, ary ny atsimo hoe: Aza hazonina; Alao ny zanako-lahy avy lavitra sy ny zanako-vavy avy any amin’ ny faran’ ny tany,
Jeremiah 30:3Fa, indro, avy ny andro, hoy Jehovah, izay hampodiako ny oloko, dia ny Isiraely sy ny Joda, avy amin’ ny fahababoany, hoy Jehovah; eny, hampody azy ho amin’ ny tany izay efa nomeko ny razany Aho, dia ho azy izany.
Jeremiah 31:8Indro, hitondra azy avy any amin’ ny tany avaratra Aho sy hanangona azy avy any amin’ ny faran’ ny tany, ka dia samy ho eny aminy avokoa na ny jamba na ny mandringa, na izay manan’ anaka na izay mihetsi-jaza; Irai-dia marenina no hiverina atỳ.