Bokin'i Ezekiela 38:12
mba hamabo sy handroba ary hamely indray izay efa rava, saingy vao misy mponina ankehitriny izao, ary ny firenena izay nangonina avy tany amin’ ny jentilisa sady nihary omby sy fananana, dia ireo mitoetra ao amin’ ny foiben’ ny tany.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'i Ezekiela 38
Cross References
Judges 9:37Dia niteny indray Gala ka nanao hoe: Indreo, misy olona eo amin’ ny havoana, ary, indreo misy, antokony hafa mandeha amin’ ny lalana eo amin’ ny hazo terebinta Meonenima.
Isaiah 10:6Hamely firenena mihatsaravelatsihy no anirahako azy, ary hamely ny firenena izay iharan’ ny fahatezerako no andidiako azy, hamabo sy handroba ary hanao azy ho fanitsakitsaka tahaka ny fotaka eny an-dalambe.
Jeremiah 32:43Ary mbola hisy fividianana saha eto amin’ ity tany ity, izay ataonareo hoe Tany lao tsy misy olona na biby fiompy sady efa voatolotra eo an-tànan’ ny Kaldeana.
Ezekiel 29:19Koa izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Indro, homeko an’ i Nebokadnezara, mpanjakan’ i Babylona, ny tany Egypta, dia halainy ny hareny, ary hobaboiny izay hita ao, ka hataony sambotra izay azo ao, koa izany no ho karaman’ ny miaramilany.
Ezekiel 38:8Rehefa afaka andro maro, dia hotadiavina ianao, raha mby any am-parany, dia ho tonga any amin’ ny tany izay novonjena ka afaka tamin’ ny sabatra ianao, dia tany novorina avy tany amin’ ny firenena maro, any an-tendrombohitry ny Isirady, izay efa lao hatry ny ela; fa efa navoaka avy tany amin’ ny firenena izy, ka dia mandry fahizay izy rehetra.
Zechariah 1:12Ary Ilay Anjelin’ i Jehovah namaly hoe: He, Jehovah, Tompon’ ny maro ô! mandra-pahoviana no tsy hamindranao fo amin’ i Jerosalema sy amin’ ny tanànan’ ny Joda, izay efa nahatezitra Anao fito-polo taona izay.