Bokin'i Ezekiela 38:16
ary hiakatra hamely ny Isiraely oloko tahaka ny fiakatry ny rahona hanarona ny tany ianao; any am-parany no ho tonga izany; ary ho entiko hamely ny taniko ianao, mba hahafantaran’ ny firenena Ahy, rehefa miseho ho masìna eo anatrehany Aho amin’ ny ataoko aminao, ry Goga.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'i Ezekiela 38
Cross References
Exodus 14:18dia ho fantatry ny Egyptiana fa Izaho no Jehovah, rehefa ankalazaina Aho noho ny ataoko amin’ i Farao sy ny kalesiny sy ny mpitaingin-tsoavaliny.
1 Samuel 17:45Fa hoy kosa Davida tamin’ ilay Filistina: Hianao manatona ahy amin’ ny sabatra sy ny lefona ary ny lefom-pohy; fa izaho kosa manatona anao amin’ ny anaran’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, Andriamanitry ny miaramilan’ ny Isiraely, Izay efa nohaikainao.
Psalms 83:17Sarony henatra ny tavany, mba hitadiavany ny anaranao, Jehovah ô.
Isaiah 29:23Fa raha ny zanany mahita ny asan’ ny tanako ao aminy, Dia hanamasina ny anarako izy, eny, hanamasina ny Iray Masin’ i Jakoba izy ary hangovitra eo anatrehan’ Andriamanitry ny Isiraely.
Ezekiel 36:23Ary hohamasiniko ny anarako lehibe izay efa nolotoinareo tany amin’ ny jentilisa, ka dia ho fantany fa Izaho no Jehovah, hoy Jehovah Tompo, rehefa miseho ho masìna eo imasony Aho amin’ ny ataoko aminareo.
Ezekiel 38:23Ka dia hasehoko ny fihalehibiazako sy ny fahamasinako; ary ho fantatra eo imason’ ny firenena maro Aho: ka dia ho fantany fa Izaho no Jehovah.