The Bible Software
bible.software › Bokin'i Ezekiela › Bokin'i Ezekiela 40 › Bokin'i Ezekiela 40:3

Bokin'i Ezekiela 40:3

Dia nentiny nankao aho, ka, indro, nisy lehilahy izay nitarehim-barahina, nitondra tady rongony teny an-tànany sy volotara fandrefesana, ary nitsangana teo am-bavahady izy.

Baiboly Malagasy (1865)

In The King James Version

And he brought me thither, and, behold, there was a man, whose appearance was like the appearance of brass, with a line of flax in his hand, and a measuring reed; and he stood in the gate.

In Context

2Fahitana avy amin’ Andriamanitra no nitondrany ahy ho any amin’ ny tanin’ ny Isiraely, ka napetrany teo an-tendrombohitra avo dia avo aho, ary nisy nitarehin-tanàna teo amin’ ny ilany atsimo.

4Dia hoy ralehilahy tamiko: Ry zanak’ olona, mijere amin’ ny masonao, ary mihainoa amin’ ny sofinao, ary aoka ny fonao handinika izay rehetra hasehoko anao; fa ny hanehoako anao izao no nitondrana anao eto. Ambarao amin’ ny taranak’ Isiraely izay rehetra hitanao.

Read all of Bokin'i Ezekiela 40

Cross References

Isaiah 8:20Ho amin’ ny lalàna sy ny teni-vavolombelona ihany! Raha tsy miteny araka izany teny izany izy, Dia olona izay tsy hiposahan’ ny fahazavan’ ny maraina.

Ezekiel 1:7Ary mahitsy ny tongony; ary ny faladiany dia tahaka ny faladian’ ny ombilahy kely; ary mamirapiratra toy ny volon’ ny varahina manganohano izy.

Ezekiel 8:2Ary hitako fa, indro, nisy nitarehin’ afo; hatramin’ ny valahany no ho midìna dia afo; ary hatramin’ ny valahany no ho miakatra kosa dia nitarehin-java-mamirapiratra dia toy ny volon’ ny metaly mamirapiratra.

Daniel 10:5dia nanopy ny masoko aho ka nijery, ary, indro, nisy lehilahy iray nitafy rongony fotsy, ka tena volamena avy any Ofaza no nisikinany;

Revelation 1:15ary ny tongony tahaka ny varahina manganohano, hoatra ilay voadio teo amin’ ny fandrendrehana iny; ary ny feony toy ny firohondrohon’ ny rano be.

Revelation 21:15Ary ilay niteny tamiko dia nanana fandrefesana volotara volamena handrefesany ny tanàna sy ny vavahadiny ary ny màndany.

This Verse In Other Editions

King James VersionBíblia Portuguesa MundialLuther Bibel (Deutsch)Bible Louis Segond (Français)Библия (Русский)新标点和合本성경 (한국어)الكتاب المقدس باللغة العربية، فان دايكBibbia Diodati (Italiano)Kinh Thánh (Tiếng Việt)Biblia Cornilescu (Română)Polish Biblia Gdanska (1881)Statenvertaling (Nederlands)

Study Bokin'i Ezekiela 40:3

Matthew HenryJamieson-Fausset-BrownAdam ClarkeJohn WesleyJohn CalvinKeil and DelitzschScofieldFamily Bible NotesGeneva Bible Notes (1599)
← Bokin'i Ezekiela 40:2Bokin'i Ezekiela 40Bokin'i Ezekiela 40:4 →