Bokin'i Ezekiela 40:29
ary ny trano fiambenany sy ny tongo-batony ary ny tohany dia araka ireo ohatra ireo ihany koa; ary nisy varavarankely teo aminy sy teo amin’ ny tohany manodidina, dimam-polo hakiho ny lavany, ary dimy amby roa-polo hakiho ny sakany.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
30Ary nisy tohany manodidina, dia dimy amby roa-polo hakiho ny lavany, ary dimy hakiho ny sakany.
Read all of Bokin'i Ezekiela 40
Cross References
1 Chronicles 28:11Ary Davida nanome an’ i Solomona zanany ny sarin’ ny lavarangana fidirana sy ny tranony sy ny trano firaketany sy ny efi-trano ambony sy ny efi-trano anatiny ary ny trano misy ny rakotra fanaovam-panavotana,
Nehemiah 13:5dia efa nanamboatra efi-trano lehibe ho azy, dia ilay nitehirizana ny fanatitra hohanina fahiny mbamin’ ny ditin-kazo mani-pofona sy ny fanaka ary ny ampahafolon’ ny vary sy ny ranom-boaloboka sy ny diloilo, izay anjara voadidy ho an’ ny Levita sy ny mpihira ary ny mpiandry varavarana, ary ny fanatitra asandratra ho an’ ny mpisorona.
Jeremiah 35:2Mankanesa any amin’ ny taranak’ i Rekaba, ary mitenena aminy, dia ampidiro ao an-tranon’ i Jehovah, ao amin’ ny efi-trano anankiray, izy, ka omeo divay hosotroiny.
Ezekiel 40:7Ary ny trano fiambenana, dia eran’ ny volotara ny lavany, ary eran’ ny volotara koa ny sakany; ary ny elanelan’ ny trano fiambenana dia dimy hakiho; ary ny tokonam-bavahady eo anilan’ ny lavarangan’ ny vavahady anatiny dia eran’ ny volotara.
Ezekiel 40:12Ary nisy nifefy teo anoloan’ ny trano fiambenana, ka iray hakiho avy no teo an-daniny roa; ary ny trano fiambenana, dia enina hakiho ny tamin’ ny lafiny iray, ary enina hakiho koa ny tamin’ ny lafiny iray.
Ezekiel 40:21Ary ny trano fiambenany dia telo avy no teo an-daniny; ary ny tongo-batony sy ny tohany dia nitovy ohatra tamin’ ny vavahady voalohany, ka dimam-polo hakiho ny lavany, ary dimy amby roa-polo hakiho ny sakany.