Bokin'i Ezekiela 40:44
Ary teo ivelan’ ny vavahady anatiny, teo anilan’ ny vavahady avaratra ka manatrika ny atsimo, dia nisy ireo efi-trano ho an’ ny mpihira teo amin’ ny kianja anatiny, ary nisy iray koa teo anilan’ ny vavahady atsinanana ka nanatrika ny avaratra.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'i Ezekiela 40
Cross References
1 Chronicles 6:31zanakalahin’ i Amzy, zanakalahin’ i Bany, zanakalahin’ i Samera,
1 Chronicles 25:1Ary ny taranak’ i Asafa sy Hemana ary Jedotona dia natokan’ i Davida sy ireo komandin’ ny miaramila ho amin’ ny fanompoana mba haminany amin’ ny lokanga sy ny valiha ary ny kipantsona; ary izao no isan’ ny mpanao araka ny fanompoany avy:
Ezekiel 40:10Ary ny trano fiambenana teo amin’ ny vavahady atsinanana dia telo avy no teo an-daniny; mitovy ohatra izy telo, ary mitovy ohatra koa ny tongo-bato teo amin’ ny lafiny roa.
Ezekiel 40:23Ary nisy vavahadin’ ny kianja anatiny, tandrifin’ ny vavahady fidirana manatrika ny avaratra sy ny atsinanana; ka dia norefesiny hatramin’ ny vavahady anankiray ka hatramin’ ny anankiray, ka zato hakiho.
Ezekiel 40:29ary ny trano fiambenany sy ny tongo-batony ary ny tohany dia araka ireo ohatra ireo ihany koa; ary nisy varavarankely teo aminy sy teo amin’ ny tohany manodidina, dimam-polo hakiho ny lavany, ary dimy amby roa-polo hakiho ny sakany.
Ephesians 5:19ka mifampilazà amin’ ny salamo sy ny fihirana ary ny tonon-kiram-panahy, dia mihira sy mikalo ao am-ponareo ho an’ ny Tompo,