Bokin'i Ezekiela 40:45
Ary hoy izy tamiko: Ity efi-trano manatrika ny atsimo ity dia ho an’ ny mpisorona izay mitandrina ny anjara-raharahany amin’ ny trano.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'i Ezekiela 40
Cross References
Leviticus 8:35Ary hitoetra eo anoloan’ ny varavaran’ ny trano-lay fihaonana hafitoana andro aman’ alina ianareo ka hitandrina izay asain’ i Jehovah hotandremana, dia tsy ho faty ianareo fa izany no nandidiana ahy.
Numbers 3:32Ary ny lehiben’ ny lohan’ ny Levita dia Eleazara, zanak’ i Arona mpisorona, izay lehiben’ ny mpitandrina ny anjara-raharaha ny amin’ ny fitoerana masìna.
Numbers 18:5Dia hotandremanareo ny anjara-raharaha momba ny fitoerana masìna sy ny anjara-raharaha momba ny alitara, mba tsy hisy fahatezerana hahazo ny Zanak’ Isiraely intsony.
1 Chronicles 9:23Ka dia ireo sy ny taranany no niandry varavarana tao amin’ ny tranon’ i Jehovah, dia ny trano-lay.
Psalms 134:1Fihirana fiakarana. Andeha, misaora an’ i Jehovah, ianareo rehetra mpanompon’ i Jehovah, Izay mitoetra alina ao an-tranon’ i Jehovah.
Malachi 2:4Dia ho fantatrareo fa nampitondra izany didy izany ho aminareo Aho, mba haharetan’ ny fanekeko amin’ i Levy, hoy Jehovah, Tompon’ ny maro.