Bokin'i Ezekiela 44:11
Ary ho mpanao fanompoam-pivavahana ao amin’ ny fitoerako masìna izy, dia ho mpiadidy ny amin’ ny fiandrasana ny vavahadin’ ny tempoly sy ho mpanao fanompoam-pivavahana ao amin’ ny tempoly; hisolo ny olona hamono ny fanatitra dorana sy ny fanatitra hafa izy ary hitoetra eo anatrehany hanao fanompoam-pivavahana ho azy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'i Ezekiela 44
Cross References
Numbers 8:26kanefa mahazo manampy ny rahalahiny ao amin’ ny trano-lay fihaonana ihany izy mba hitandrina izay anjara-raharaha; fa tsy hanao fanompoana hafa izy. Izany no hataonao amin’ ny Levita ny amin’ ny anjara-raharahany.
Numbers 18:6Ary, indro, Izaho efa naka ny Levita rahalahinareo avy tamin’ ny Zanak’ Isiraely; omena anareo izy ho fanomezana ho an’ i Jehovah mba hanao ny fanompoana momba ny trano-lay fihaonana.
2 Chronicles 29:34Fa vitsy loatra ny mpisorona ka tsy nahendaka ny fanatitra dorana rehetra, ka dia nanampy azy ny Levita rahalahiny mandra-pahavitan’ ny raharaha sy ny nanamasinan’ ny mpisorona sasany ny tenany koa; fa ny Levita nahitsy fo kokoa hanamasina ny tenany noho ny mpisorona.
2 Chronicles 35:10Koa dia vonona ny zavatra; ary ny mpisorona nitsangana teo amin’ ny fitoerany avy, ary ny Levita araka ny antokony avy, araka ny didin’ ny mpanjaka.
Ezekiel 44:14Ary hotendreko ho mpitandrina ny anjara-raharaha ny amin’ ny trano izy, dia ny fanompoana rehetra sy ny zavatra rehetra atao ao.