The Bible Software
bible.software › Bokin'i Ezekiela › Bokin'i Ezekiela 44 › Bokin'i Ezekiela 44:12

Bokin'i Ezekiela 44:12

Satria nanao fanompoam-pivavahana ho azy teo anatrehan’ ny sampiny izy ka tonga fahatafintohinana nahameloka ny taranak’ Isiraely, dia izany no nananganako tanana hamely azy ka nilazako fa hitondra ny helony izy, hoy Jehovah Tompo,

Baiboly Malagasy (1865)

In The King James Version

Because they ministered unto them before their idols, and caused the house of Israel to fall into iniquity; therefore have I lifted up mine hand against them, saith the Lord GOD, and they shall bear their iniquity.

In Context

11Ary ho mpanao fanompoam-pivavahana ao amin’ ny fitoerako masìna izy, dia ho mpiadidy ny amin’ ny fiandrasana ny vavahadin’ ny tempoly sy ho mpanao fanompoam-pivavahana ao amin’ ny tempoly; hisolo ny olona hamono ny fanatitra dorana sy ny fanatitra hafa izy ary hitoetra eo anatrehany hanao fanompoam-pivavahana ho azy.

13ary tsy hanatona Ahy ho mpisoroko izy, na hanakaiky izay zavatra masìna na inona na inona, dia izay zavatra masìna indrindra; fa hitambesaran’ ny fahamenarany sy ny fahavetavetana nataony izy.

Read all of Bokin'i Ezekiela 44

Cross References

Deuteronomy 32:40Fa manangana ny tanako amin’ ny lanitra Aho Ka manao hoe: Raha velona koa Aho mandrakizay:

2 Kings 16:10Ary nandeha Ahaza mpanjaka hitsena an’ i Tiglato-pilesera, mpanjakan’ i Asyria, any Damaskosy; ary nony nahita ny alitara tao Damaskosy izy, dia nampitondra ny mariky ny alitara sy ny sariny araka ny fombany rehetra ho any amin’ i Oria mpisorona.

Isaiah 9:16Ary noho izany dia tsy mahafaly an’ i Jehovah ny zatovony, ary ny kamboty sy ny mpitondratena ao aminy dia tsy iantrany; Fa samy mpihatsaravelatsihy sy mpanao ratsy izy, ary ny vava rehetra mamoaka teny fahadalana. Kanefa, na dia izany rehetra izany aza, dia tsy mbola afaka ihany ny fahatezerany, Fa mbola mihinjitra ihany ny tànany.

Ezekiel 20:6tamin’ izany andro izany no nananganako tanana taminy hitondra azy hivoaka avy tany amin’ ny tany Egypta ho any amin’ ny tany notadiaviko ho azy, izay tondra-dronono sy tantely sady tena endriky ny tany rehetra,

Ezekiel 20:23Dia nanangan-tanana taminy tany an’ efitra, indray Aho, hampiely azy any amin’ ny jentilisa sy hampihahaka azy any amin’ ny tany samy hafa,

Ezekiel 44:10Ary na dia ny Levita aza, izay nanalavitra Ahy tamin’ ny nivilian’ ny Isiraely, izay nivily niala tamiko ka nanaraka ny sampiny, dia hitondra ny helony izy.

This Verse In Other Editions

King James VersionBíblia Portuguesa MundialLuther Bibel (Deutsch)Bible Louis Segond (Français)Библия (Русский)新标点和合本성경 (한국어)الكتاب المقدس باللغة العربية، فان دايكBibbia Diodati (Italiano)Kinh Thánh (Tiếng Việt)Biblia Cornilescu (Română)Polish Biblia Gdanska (1881)Statenvertaling (Nederlands)

Study Bokin'i Ezekiela 44:12

Matthew HenryJamieson-Fausset-BrownAdam ClarkeJohn WesleyJohn CalvinKeil and DelitzschScofieldFamily Bible NotesGeneva Bible Notes (1599)
← Bokin'i Ezekiela 44:11Bokin'i Ezekiela 44Bokin'i Ezekiela 44:13 →