Bokin'i Ezekiela 45:9
Izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Aoka izay, ry mpanjakan’ ny Isiraely! Ajanony ny halozana sy ny fampahoriana, ary manaova fitsarana sy fahamarinana; atsaharo ny fandroahanareo ny oloko, hoy Jehovah Tompo.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
10Mizana marina sy efaha marina ary bata marina no aoka hotananareo.
Read all of Bokin'i Ezekiela 45
Cross References
Nehemiah 5:1Ary nitaraina mafy ny lehilahy sy ny vadiny ny amin’ ny Jiosy rahalahiny.
Job 22:9Efa nampialainao maina ny mpitondratena. Ary tapahina ny sandrin’ ny kamboty.
Psalms 82:2Mandra-pahoviana no hitsarànareo tsy marina ka ihenaranareo maso ny ratsy fanahy? [Sela.]
Jeremiah 22:3Izao no lazain’ i Jehovah: Manaova fitsarana sy fahamarinana ianareo, ka afaho amin’ ny tanan’ ny mpampahory ny olona voaroba; ary aza mampahory na mampidi-doza amin’ ny vahiny sy ny kamboty ary ny mpitondratena, ary aza mandatsaka rà marina amin’ ity fitoerana ity.
Ezekiel 44:6Ary lazao amin’ ireo maditra, dia ny taranak’ Isiraely hoe: Izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Aoka izay ny fahavetavetanareo, ry taranak’ Isiraely!
Micah 2:1Lozan’ izay mamoron-keloka sy misaintsain-dratsy ao am-pandriany! Ary nony maraina ny andro, dia manatanteraka izany izy, Satria manan-kery ny tànany.