The Bible Software
bible.software › Bokin'i Ezekiela › Bokin'i Ezekiela 46 › Bokin'i Ezekiela 46:12

Bokin'i Ezekiela 46:12

Ary raha ny mpanjaka no manatitra fanatitra dorana na fanati-pihavanana ho fanatitra sitrapo ho an’ i Jehovah, dia hovohana ho azy ny vavahady manatrika ny atsinanana, dia hateriny ny fanatitra dorany sy ny fanati-pihavanany, tahaka izay àtaony amin’ ny Sabata; ary rehefa tafavoaka izy, dia harindrina ny vavahady.

Baiboly Malagasy (1865)

In The King James Version

Now when the prince shall prepare a voluntary burnt offering or peace offerings voluntarily unto the LORD, one shall then open him the gate that looketh toward the east, and he shall prepare his burnt offering and his peace offerings, as he did on the sabbath day: then he shall go forth; and after his going forth one shall shut the gate.

In Context

11Ary amin’ ny andro firavoravoana sy ny fotoam-pivavahana dia iray efaha no ho fanatitra hohanina isam-bantotr’ ombilahy iray, ary iray efaha isan-ondrilahy iray, ary ny amin’ ny zanak’ ondry, dia araka izay tiany, ary ny diloilo dia eran’ ny hina isan-efaha.

13Ary zanak’ ondry anankiray iray taona tsy misy kilema no haterinao isan’ andro ho fanatitra dorana ho an’ i Jehovah; isa-maraina no hanateranao azy.

Read all of Bokin'i Ezekiela 46

Cross References

Leviticus 7:16Fa raha fanati-panalamboady na fanati-tsitrapo kosa no ateriny, dia amin’ ny andro anaterany ny fanatiny no hihinanana azy, ary ampitson’ iny no hihinanana izay ambiny.

Numbers 29:39Ireo no haterinareo ho an’ i Jehovah amin’ ny fotoam-pivavahanareo afa-tsy ny fanati-panalamboadinareo sy ny fanati-tsitraponareo izay aterinareo ho fanatitra dorana sy fanatitra hohanina sy fanatitra aidina ary fanati-pihavanana.

1 Chronicles 29:21Ary namono zavatra hatao fanatitra ho an’ i Jehovah izy sady nanatitra fanatitra dorana ho an’ i Jehovah nony ampitson’ iny, dia vantotr’ ombilahy arivo sy ondrilahy arivo ary zanak’ ondry arivo mbamin’ ny fanatitra aidina momba ireo ary fanatitra hafa be dia be ho an’ ny Isiraely rehetra.

2 Chronicles 7:5Ary Solomona mpanjaka namono zavatra hatao fanatitra, dia omby roa arivo amby roa alina sy ondry aman’ osy roa alina amby iray hetsy. Toy izany no nitokanan’ ny mpanjaka sy ny vahoaka rehetra ny tranon’ Andriamanitra.

Ezra 1:4Ary na iza na iza sisa tratra, dia aoka ny tompon-tany ao amin’ izay ivahiniany hanome azy volafotsy sy volamena sy fanaka ary biby fiompy mbamin’ ny fanati-tsitrapo ho an’ ny tranon’ Andriamanitra, izay any Jerosalema.

Ezra 6:17ary ny nateriny hitokanana io tranon’ Andriamanitra io dia omby zato sy ondrilahy roan-jato sy zanak’ ondry efa-jato; ary ny ho fanatitra noho ny ota kosa ho an’ ny Isiraely rehetra dia osilahy roa ambin ny folo, araka ny isan’ ny firenen’ Isiraely.

This Verse In Other Editions

King James VersionBíblia Portuguesa MundialLuther Bibel (Deutsch)Bible Louis Segond (Français)Библия (Русский)新标点和合本성경 (한국어)الكتاب المقدس باللغة العربية، فان دايكBibbia Diodati (Italiano)Kinh Thánh (Tiếng Việt)Biblia Cornilescu (Română)Polish Biblia Gdanska (1881)Statenvertaling (Nederlands)

Study Bokin'i Ezekiela 46:12

Matthew HenryJamieson-Fausset-BrownAdam ClarkeJohn WesleyJohn CalvinKeil and DelitzschScofieldFamily Bible NotesGeneva Bible Notes (1599)
← Bokin'i Ezekiela 46:11Bokin'i Ezekiela 46Bokin'i Ezekiela 46:13 →