Bokin'ny Nomery 29:39
Ireo no haterinareo ho an’ i Jehovah amin’ ny fotoam-pivavahanareo afa-tsy ny fanati-panalamboadinareo sy ny fanati-tsitraponareo izay aterinareo ho fanatitra dorana sy fanatitra hohanina sy fanatitra aidina ary fanati-pihavanana.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Nomery 29
Cross References
Leviticus 7:11Ary izao no lalàna ny amin’ ny fanati-pihavanana izay haterina ho an’ i Jehovah:
Leviticus 22:21Ary raha misy manatitra fanati-pihavanana ho an’ i Jehovah, na ho fanatitra hanalany voady, na ho fanati-tsitrapo, na omby izany, na ondry, na osy, dia ny tsara izay tsy misy kilema na kely akory aza no hateriny mba hankasitrahana azy.
Leviticus 23:28Ary aza manao raharaha akory amin’ izany andro izany; fa andro fanavotana izany, hanaovana fanavotana ho anareo eo anatrehan’ i Jehovah Andriamanitrareo.
Numbers 6:21Izany no lalàna ny amin’ ny Nazirita, izay mivoady hitondra fanatitra ho an’ i Jehovah noho ny fitokanany, afa-tsy izay zavatra hafa tratry ny ananany; araka ny voady izay nivoadiany no hataony, araka ny lalàna ny amin’ ny fitokanany.
Deuteronomy 12:6Ary any no hitondranareo ny fanatitra doranareo sy ny fanatitrareo hafa alatsa-drà sy ny fahafolon-karenareo sy ny fanatitra asandratry ny tananareo sy ny fanalam-boadinareo sy ny fanati-tsitraponareo ary ny voalohan-teraky ny ombinareo sy ny ondry aman’ osinareo;
2 Chronicles 31:3Ary ny hatao fanatitra dorana rehetra dia nomen’ ny mpanjaka avy tamin’ ny fananany, dia ny fanatitra dorana maraina sy hariva sy ny fanatitra dorana atao amin’ ny Sabata sy amin’ ny voaloham-bolana sy amin’ ny fotoam-pivavahana, araka ny voasoratra ao amin’ ny lalan’ i Jehovah.