Bokin'i Ezekiela 47:9
Ary ny zava-manan’ aina rehetra sesehena na aiza na aiza alehan’ ny ony tondraka dia ho velona, ka hisy hazandrano sesehena; fa nony tonga ao ity rano ity, dia ho sitrana izy, ary ho velona izay rehetra hidiran’ ny ony.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'i Ezekiela 47
Cross References
Psalms 78:16Ary nampivoaka rano mandriaka avy tamin’ ny harambato Izy ka nampirotsaka rano ho tahaka ny ony.
Isaiah 12:3Koa amin’ ny fifaliana no hantsakanareo rano amin’ ny loharanom-pamonjena.
Isaiah 49:12Indreo, tonga avy lavitra ireto; ary, indreo, avy any avaratra sy andrefana ireto, ary avy any amin’ ny tany Sinima ireto.
Isaiah 60:3Ary ny firenena manatona ny fahazavanao, ary ny mpanjaka mankeo amin’ ny famirapiratan’ ny fiposahanao.
Zechariah 8:21ary ny mponina ao amin’ ny anankiray hankany amin’ ny anankiray kosa ka hanao hoe: Aoka handeha tokoa isika hifona amin’ i Jehovah sy hitady an’ i Jehovah, Tompon’ ny maro; izaho koa mba handeha.
John 4:14fa na iza na iza no misotro ny rano izay homeko azy dia tsy hangetaheta mandrakizay; fa ny rano izay homeko azy dia ho loharano miboiboika ao anatiny ho fiainana mandrakizay.