Bokin'i Ezekiela 6:12
Ny lavitra ho fatin’ ny areti-mandringana, ny akaiky ho lavon’ ny sabatra, ary izay sisa sy izay voaro dia ho faty mosary; Ka dia hotanterahiko aminy ny fahatezerako.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'i Ezekiela 6
Cross References
Jeremiah 24:10Ary hampameleziko azy ny sabatra sy ny mosary ary ny areti-mandringana ambara-pahalany ritrany tsy ho amin’ ny tany izay nomeko azy sy ny razany.
Lamentations 4:11Tanterahin’ i Jehovah ny fahavinirany, naidiny ny fahatezerany mirehitra, ary Izy nampirehitra afo tao Ziona, handevonana ny fanorenany.
Ezekiel 5:12Ny ampahatelony eo aminao dia ho fatin’ ny areti-mandringana na ho ringan’ ny mosary eo aminao; ary ny ampahatelony dia ho lavon’ ny sabatra manodidina anao; ary ny ampahatelony dia haeliko ho amin’ ny rivotra rehetra, ary hanatsoaka sabatra ho entiko manenjika azy Aho.
Ezekiel 33:27Izao no holazainao aminy: Izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Raha velona koa Aho, dia tsy maintsy ho lavon’ ny sabatra izay ao amin’ ny tanàna rava, ary izay any an-tsaha dia homeko ho rembin’ ny bibi-dia, ary izay ao amin’ ny harambato sy amin’ ny lava-tany dia ho fatin’ ny areti-mandringana.