Bokin'i Jeremia 24:10
Ary hampameleziko azy ny sabatra sy ny mosary ary ny areti-mandringana ambara-pahalany ritrany tsy ho amin’ ny tany izay nomeko azy sy ny razany.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'i Jeremia 24
Cross References
Deuteronomy 28:21Hampiraiketin’ i Jehovah aminao ny areti-mandringana, mandra-pandaniny anao tsy ho eo amin’ ny tany izay efa hidiranao holovana.
Isaiah 51:19Izao zavatra roa Izao no hanjo anao (Iza no hanony ny alahelonao?): Fandravana sy fandringanana ary mosary sy sabatra, koa hataoko ahoana no fampionona anao?
Jeremiah 9:15Ary haeliko any amin’ izay jentilisa tsy fantany na fantatry ny razany izy; Ary hampanenjehiko azy ny sabatra ambara-pandaniko azy.
Jeremiah 14:12Fa na dia mifady hanina aza izy, dia tsy hihaino ny fitarainany Aho; Ary na dia manatitra fanatitra dorana sy fanatitra hohanina aza izy, dia tsy hankasitraka azy Aho, fa haripako amin’ ny sabatra sy ny mosary ary ny areti-mandringana izy.
Jeremiah 15:2Ary raha tàhiny izy manao aminao hoe: Hiala hankaiza izahay? dia ataovy aminy hoe: Izao no lazain’ i Jehovah: Izay ho amin’ ny areti-mandringana dia ho amin’ ny areti-mandringana, ary izay ho amin’ ny sabatra dia ho amin’ ny sabatra, ary izay ho amin’ ny mosary dia ho amin’ ny mosary, ary izay ho amin’ ny fahababoana dia ho amin’ ny fahababoana.
Jeremiah 19:7Ary hofoanako amin’ ity tanàna ity ny fisainan’ ny Joda sy Jerosalema, ka hataoko lavon-tsabatra eo anoloan’ ny fahavalony sy amin’ ny tànan’ izay mitady ny ainy izy; ary ny fatiny dia homeko ho fihinan’ ny voro-manidina sy ny bibi-dia.