Bokin'i Ezekiela 6:6
Any amin’ ny fonenanareo rehetra dia ho lao ny tanàna, Ary ho rava ny fitoerana avo, mba ho rava sy lao koa ny alitaranareo, dia hotapatapahina sy hofoanana ny sampinareo, ary hokapaina ny tsangan-kazonareo ho an’ ny masoandro, Ka dia holevonina ny asanareo.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
7Ary hisy faty hiampatrampatra eo aminareo; Ka dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah.
Read all of Bokin'i Ezekiela 6
Cross References
Leviticus 26:31Ary horavako ny tanànanareo, ka hatao lao ny fitoera-masinareo, ary tsy hamboloiko ny hanitrareo ankasitrahana.
Psalms 115:8Ho tahaka azy izay manao azy Sy izay rehetra matoky azy.
Isaiah 2:18Ary ny andriamani-tsi-izy dia ho foana avokoa.
Isaiah 6:11Ary hoy izaho: Tompo ô, mandra-pahoviana anefa? Dia hoy Izy: Mandra-pahafoanan’ ny tanàna, ka tsy hisy mponina, Ary ny trano tsy hisy olona, Ary ny tany ho lao tokoa;
Isaiah 27:9Ka izao no hamelana ny helok’ i Jakoba, Ary izao ihany no vokatry ny nanesorana ny fahotany, dia amin’ ny anaovany ny vato rehetra amin’ ny alitara ho tahaka ny vato sokay voatorotoro, ary ny Aseraha sy ny tsangan-kazo ho an’ ny masoandro dia tsy hitsangana intsony.
Isaiah 64:10Ny tranonay masìna sady mendrika, Izay nideran’ ny razanay Anao, dia voadotry ny afo, ary rava ny zavatray mahafinaritra rehetra.