Bokin'i Ezekiela 7:6
Injao ny farany! Eny, mby akaiky ny farany; Mifoha hamely anao iny, indro, efa mby akaiky iny.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
An end is come, the end is come: it watcheth for thee; behold, it is come.
In Context
5Izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Injao! avy ny loza, dia loza izay tsy misy toa azy!
Read all of Bokin'i Ezekiela 7
Cross References
Jeremiah 44:27Indro, miambina anareo Aho hahatonga loza, fa tsy soa; ary ny lehilahy rehetra amin’ ny Joda, izay atỳ amin’ ny tany Egypta, dia ho ringan’ ny sabatra sy ny mosary mandra-pahalany ritrany.
Ezekiel 7:3Ankehitriny dia mby akaikinao ny farany, ary halefako aminao ny fahatezerako, dia hotsaraiko araka ny alehanao ianao, ka hatambesatro aminao ny fahavetavetanao rehetra.
Ezekiel 12:23Koa lazao aminy hoe: Izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Hatsahatro izany fitenenana izany ka tsy hatao fiteny ao amin’ ny Isiraely intsony; fa lazao aminy kosa hoe: Akaiky ny andro sy ny tenin’ ny fahitana rehetra.
Ezekiel 39:8Indro, tonga izany ka tanteraka, hoy Jehovah Tompo. Izany no andro izay nolazaiko.
Zechariah 13:7Mifohaza, ry sabatra, hamely ny mpiandriko sy ny lehilahy namako, hoy Jehovah, Tompon’ ny maro. Asio ny mpiandry, dia hihahaka ny ondry, ary hamerina ny tanako ho amin’ ny madinika Aho.