Bokin'i Ezekiela 8:10
Dia niditra aho ka nahita, ary indreo, nisy sarin’ ny biby mandady sy mikisaka rehetra sy ny biby hafa, dia izay fahavetavetana, sy ny sampy rehetra an’ ny taranak’ Isiraely, voasoratra teo amin’ ny rindrina manodidina.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
9Ary hoy Izy tamiko: Midìra, ka jereo ny fahavetavetana lehibe ataony eto.
Read all of Bokin'i Ezekiela 8
Cross References
Leviticus 11:10fa izay rehetra tsy misy vombony sy kirany kosa, na ao anatin’ ny ranomasina, na ao anatin’ ny ony, na amin’ izay rehetra mihetsiketsika ao anaty rano sy amin’ ny zava-manan’ aina izay ao anaty rano; fahavetavetana aminareo ireny;
Leviticus 11:42Izay rehetra mandady amin’ ny kibony sy Izay rehetra mandia tongotra efatra ary izay rehetra maro tongotra, dia ny biby tehetra izay mandady na mikisaka amin’ ny tany, dia tsy ho fihinanareo, fa zava-betaveta ireny.
Deuteronomy 4:18na sarim-biby mandady na mikisaka amin’ ny tany, na sarin-kazandrano izay ao amin’ ny rano ambanin’ ny tany.
Deuteronomy 4:25Raha miteraka sy ho loa-jafy koa ianao, ka efa nitoetra ela teo amin’ ny tany ianareo ary manao ratsy ka manao sarin-javatra voasokitra, araka izay endriky ny zavatra na inona na inona, sy manao ratsy eo imason’ i Jehovah Andriamanitrao ary mampahatezitra Azy,
Deuteronomy 14:7Nefa amin’ izay mandinika na mivaky kitro dia izao ihany kosa no tsy ho fihinanareo: Ny rameva sy ny rà bitro ary ny hyraka, satria mandinika ihany izy, fa tsy mivaky kitro; maloto aminareo izy;
Jeremiah 2:26Toy ny fangaihain’ ny mpangalatra, raha azo, dia toy izany ny fangaihain’ ny taranak’ Isiraely, eny, izy sy ny mpanjakany sy ny lehibeny sy ny mpisorony ary ny mpaminaniny,