Bokin'i Ezekiela 8:11
Ary nisy olona fito-polo lahy, isan’ ny loholon’ ny taranak’ Isiraely, nitsangana teo anoloan’ ireo, ary Jazania, zanak’ i Safana, nitsangana teo afovoany, samy nitondra ny loviany fandoroana ditin-kazo manitra teny an-tànany avy, ary ny setroky ny ditin-kazo manitra dia nidonata.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'i Ezekiela 8
Cross References
Exodus 24:1Ary hoy Izy tamin’ i Mosesy: Miakara ao amin’ i Jehovah ianao sy Arona sy Nadaba sy Abiho ary fito-polo lahy amin’ ny loholon’ ny Isiraely; ka miankohofa eny lavitra eny ianareo;
Numbers 11:16Dia hoy Jehovah tamin’ i Mosesy: Manangòna fito-polo lahy amin’ ny loholon’ ny Isiraely ho etỳ amiko, dia izay fantatrao ho loholona amin’ ny fireneny sy mpifehy azy; ary ento miaraka aminao ho ao amin’ ny trano-lay fihaonana izy.
Numbers 16:17Ary samia maka ny fitondrana fony avy ianareo rehetra, ka asio ditin-kazo manitra eo anatiny, ary samia mitondra ny fitondran’ afony avy ianareo rehetra ho eo anatrehan’ i Jehovah, dia fitondran’ afo dimam-polo amby roan-jato; dia ianao sy Arona samy hitondra ny fitondran’ afony avy.
2 Kings 22:3Ary tamin’ ny taona fahavalo ambin’ ny folo nanjakan’ i Josia mpanjaka, dia naniraka an’ i Safana mpanoratra, zanak’ i Azalia, zanak’ i Mesolama, izy ho any an-tranon’ i Jehovah ka nanao hoe:
2 Kings 22:12Ary ny mpanjaka nandidy an’ i Hilkia mpisorona sy Ahikama, zanak’ i Safana, sy Akbora, zanak’ i Mikaia, sy Safana mpanoratra ary Asaia, mpanompon’ andriana, hoe:
2 Kings 25:22Fa ny amin’ ny olona izay sisa tany amin’ ny tanin’ ny Joda, izay navelan’ i Nebokadnezara, mpanjakan’ i Babylona, dia Gedalia, zanak’ i Ahikama, zanak’ i Safana, no notendreny ho mpanapaka azy.