Bokin'i Ezra 8:17
Ary nampitondraiko teny ho any amin’ Ido, loholona any Kasifia, ireo, ka nambarako azy izay teny holazainy amin’ Ido sy ny Netinima rahalahiny any Kasifia, mba ho entiny any aminay izay ho mpanao fanompoam-pivavahana ao an-tranon’ Andriamanitray.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Exodus 4:15Dia hiteny aminy ianao ka hanolo-teny azy; ary Izaho homba ny vavanao sy ny vavany ka hanoro anareo izay hataonareo.
Numbers 18:6Ary, indro, Izaho efa naka ny Levita rahalahinareo avy tamin’ ny Zanak’ Isiraely; omena anareo izy ho fanomezana ho an’ i Jehovah mba hanao ny fanompoana momba ny trano-lay fihaonana.
2 Samuel 14:3dia mankanesa ao amin’ ny mpanjaka, ka lazao aminy araka izao. Dia nomen’ i Joaba teny izy.
1 Chronicles 23:3Ary nisaina ny Levita hatramin’ ny telo-polo taona no ho miakatra, ka valo arivo amby telo alina no isan’ ny lehilahy.
Ezra 2:43Ary ny Netinima koa dia izao: Ny taranak’ i Ziha, ny taranak’ i Hasofa, ny taranak’ i Tabaota,
Ezra 7:7Ary niakatra koa ny sasany amin’ ny Zanak’ Isiraely sy ny sasany amin’ ny mpisorona mbamin’ ny Levita sy ny mpihira sy ny mpiandry varavarana ary ny Netinima mba hankany Jerosalema tamin’ ny taona fahafito nanjakan’ i Artaksersesy mpanjaka.