The Bible Software
bible.software › Bokin'i Ezra › Bokin'i Ezra 8 › Bokin'i Ezra 8:22

Bokin'i Ezra 8:22

Fa nahamenatra ahy ny hangataka miaramila sy mpitaingin-tsoavaly amin’ ny mpanjaka hiaro anay amin’ ny fahavalonay eny an-dalana, satria efa niteny tamin’ ny mpanjaka izahay ka nanao hoe: Sy tànan’ Andriamanitray mahasoa izay rehetra mitady Azy; fa ny heriny sy ny fahatezerany kosa mamely izay rehetra mahafoy Azy.

Baiboly Malagasy (1865)

In The King James Version

For I was ashamed to require of the king a band of soldiers and horsemen to help us against the enemy in the way: because we had spoken unto the king, saying, The hand of our God is upon all them for good that seek him; but his power and his wrath is against all them that forsake him.

In Context

21Dia niantso andro fifadian-kanina aho teo amoron’ ny ony Ahava hampahorianay tena eo anatrehan’ Andriamanitray, mba hangataka Azy hahalavorary ny dianay sy ny an’ ny vady aman-janakay ary ny biby fiompinay rehetra.

23Ary nifady hanina izahay ka nangataka izany tamin’ Andriamanitray, dia nihaino anay Izy.

Read all of Bokin'i Ezra 8

Cross References

1 Chronicles 28:9Ary ianao, ry Solomona zanako, aoka ho fantatrao Andriamanitry ny rainao, ka manompoa Azy amin’ ny fo rehetra sy ny fanahy mazoto; fa Jehovah, dia mpandinika ny fo rehetra, ary ny fieritreretana rehetra dia fantany avokoa. Raha mitady Azy ianao, dia hahita Azy; fa raha mahafoy Azy kosa ianao, dia hariany mandrakizay.

2 Chronicles 16:9Fa ny mason’ i Jehovah mijery eny tontolo eny eran’ ny tany rehetra, mba hisehoany aman-kery hamonjy izay manana fo mahitsy aminy. Adala ianao tamin’ izany, ka dia hisy ady hahazo anao hatramin’ izao.

Ezra 7:9Fa tamin’ ny andro voalohany tamin’ ny volana voalohany no niaingany niakatra avy tany Babylona; ary tamin’ ny andro voalohany tamin’ ny volana fahadimy no nahatongavany tany Jerosalema araka ny soa nataon’ ny tànan’ Andriamaniny taminy.

Nehemiah 2:9Dia tonga tany amin’ ireo governora any an-dafin’ ny ony aho, ka natolotro azy ny taratasin’ ny mpanjaka. Ary ny mpanjaka efa naniraka manamboninahitra sy mpitaingin-tsoavaly hanatitra ahy.

Psalms 21:8Fa ny mpanjaka matoky an’ i Jehovah, ary noho ny famindram-pon’ ny Avo Indrindra dia tsy hangozohozo izy.

Psalms 34:15Halaviro ny ratsy, manaova soa; mitadiava fihavanana, ka araho izany.

This Verse In Other Editions

King James VersionBíblia Portuguesa MundialLuther Bibel (Deutsch)Bible Louis Segond (Français)Библия (Русский)新标点和合本성경 (한국어)الكتاب المقدس باللغة العربية، فان دايكBibbia Diodati (Italiano)Kinh Thánh (Tiếng Việt)Biblia Cornilescu (Română)Polish Biblia Gdanska (1881)Statenvertaling (Nederlands)

Study Bokin'i Ezra 8:22

Matthew HenryJamieson-Fausset-BrownAdam ClarkeJohn WesleyJohn CalvinKeil and DelitzschScofieldFamily Bible NotesGeneva Bible Notes (1599)
← Bokin'i Ezra 8:21Bokin'i Ezra 8Bokin'i Ezra 8:23 →