Epistily ho an'ny Galatiana 1:15
Fa raha sitrak’ Andriamanitra, Izay nanokana ahy hatrany an-kibon’ ineny ny niantso ahy tamin’ ny fahasoavany,
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
But when it pleased God, who separated me from my mother’s womb, and called me by his grace,
In Context
Read all of Epistily ho an'ny Galatiana 1
Cross References
Deuteronomy 7:7Tsy ny hamaroanareo noho ny firenena rehetra anefa no niraiketan’ ny fitiavan’ i Jehovah taminareo sy nifidianany anareo, fa ianareo dia vitsy noho ny firenena rehetra aza;
1 Chronicles 28:4Nefa kosa Jehovah, Andriamanitra ny Isiraely efa nifidy ahy tamin’ ny ankohonan’ ny raiko rehetra ho mpanjakan’ ny Isiraely mandrakizay; fa Joda no nofidiny ho mpanjaka, ary tamin’ ny taranak’ i Joda indray dia ny ankohonan’ ny raiko no nofidiny; ary tamin’ ny ankohonan’ ny raiko dia izaho kosa no nankasitrahany ka nataony mpanjaka amin’ ny Isiraely rehetra.
Isaiah 49:5Ary ankehitriny, hoy Jehovah, Izay namorona Ahy hatrany am-bohoka ho Mpanompony, hampodiana ny Jakoba ho ao aminy indray sy hamoriana ny Isiraely ho ao aminy, (Fa mahazo voninahitra eo imason’ i Jehovah Aho, Ary Andriamanitro no heriko),
Matthew 11:26Eny, Raiko; fa izany no sitraponao.
Luke 10:21Ary tamin’ izany ora izany dia ravoravo tamin’ ny Fanahy Masìna Jesosy ka nanao hoe: Midera Anao Aho, Raiko ô, Tompon’ ny lanitra sy ny tany, fa efa nafeninao tamin’ ny hendry sy ny manan-tsaina izany ka nasehonao tamin’ ny zaza madinika; eny, Raiko, fa izany no sitrakao.
Acts 13:2Ary raha nanao fanompoam-pivavahana ho an’ ny Tompo sy nifady hanina ireo, dia hoy ny Fanahy Masìna: Atokàny ho Ahy Barnabasy sy Saoly hanao ny asa izay efa niantsoako azy.