Epistily ho an'ny Galatiana 3:11
Ary hita marimarina fa amin’ ny lalàna dia tsy misy olona hamarinina eo anatrehan’ Andriamanitra; fa ny marina amin’ ny finoana no ho velona.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
12Ary ny lalàna tsy araka ny finoana; fa izay mahatandrina izany no ho velona aminy.
Read all of Epistily ho an'ny Galatiana 3
Cross References
Job 9:3Raha te-hifandahatra aminy izy, dia tsy mahavaly teny Azy na dia iray amin’ ny arivo aza.
Job 42:6Koa dia miaiky sy mibebaka Eto amin’ ny vovoka sy ny lavenona aho.
Psalms 130:3Raha mandinika heloka Hianao, Jehovah ô, Iza no hahajanona, Tompo ô?
Ecclesiastes 7:20Fa tsy misy olona marina ambonin’ ny tany izay manao tsara ka tsy manota.
Isaiah 53:6Isika rehetra dia samy efa nania tahaka ny ondry, samy efa nivily ho amin’ ny lalantsika avy isika rehetra; ary nataon’ i Jehovah nihatra taminy avokoa ny helotsika rehetra.
Habakkuk 2:4Indro, feno avonavona ny fanahin’ ireny, fa tsy mahitsy ao anatiny, Fa ny marina ho velon’ ny finoany.