Epistily ho an'ny Galatiana 5:1
Ho amin’ ny fahafahana no nanafahan’ i Kristy antsika; ka tomoera tsara, fa aza mety hohazonin’ ny zioga fanandevozana intsony.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Epistily ho an'ny Galatiana 5
Cross References
Proverbs 23:23Vidio ny marina, ka aza amidy, Dia ny fahendrena sy ny fananarana ary ny fahazavan-tsaina.
Matthew 11:28Mankanesa atỳ amiko, ianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana, fa Izaho no hanome anareo fitsaharana.
Luke 5:38Fa ny divay vaovao dia tsy maintsy hatao ao anaty siny hoditra vaovao.
Acts 15:10Koa nahoana ianareo no maka fanahy an’ Andriamanitra amin’ ny fametrahanareo zioga amin’ ny vozon’ ny mpianatra, izay tsy zakan’ ny razantsika na isika ho entina?
Romans 6:18ary rehefa natao afaka tamin’ ny ota ianareo, dia tonga mpanompon’ ny fahamarinana.
Romans 7:6Fa ankehitriny dia efa afaka tamin’ ny lalàna isika, satria maty ny amin’ izay nihazonana antsika, ka dia manompo amin’ ny havaozam-panahy isika, fa tsy amin’ ny hahelan-tsoratra.