Epistily ho an'ny Galatiana 6:12
Na iza na iza te-hiseho ho tsara amin’ ny nofo, dia ireo no manery anareo hoforana, nefa noho izao ihany: fandrao henjehina noho ny hazo fijalian’ i Kristy izy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
11Indro ny havaventin’ ny soratra izay soratan’ ny tanako ho aminareo.
Read all of Epistily ho an'ny Galatiana 6
Cross References
Matthew 6:2Koa amin’ izany, raha manao fiantrana ianao, aza mba mitsoka trompetra eo aloanao tahaka ny fanaon’ ny mpihatsaravelatsihy eo amin’ ny synagoga sy eny an-dalambe mba hankalazan’ ny olona azy. Lazaiko aminareo marina tokoa fa efa azony ny valim-pitiany.
Matthew 6:16Ary raha mifady hanina ianareo, aza mety ho tahaka ny mpihatsaravelatsihy, izay malahelo tarehy; fa mampisotisoty ny tavany izy mba ho hitan’ ny olona fa mifady. Lazaiko aminareo marina tokoa fa efa azony ny valim-pitiany.
Matthew 23:28Dia tahaka izany koa ianareo: raha amin’ ny eo ivelany dia miseho amin’ ny olona ho marina, nefa ny ao anatinareo dia feno fihatsaram-belatsihy sy tsi-fankatoavan-dalàna.
Luke 20:47ary mandany ny tranon’ ny mpitondratena sy manao vavaka lavareny mba ho fiolahana; ireo dia hahazo fahamelohana mafimafy kokoa.
Acts 15:1Ary ny olona sasany izay nidina avy tany Jodia nampianatra ny rahalahy hoe: Raha tsy forana araka ny fanaon’ i Mosesy ianareo, dia tsy azo vonjena.
2 Corinthians 10:12Fa izahay tsy sahy hanao ny tenanay ho isan’ ny sasany izay midera tena, na hampitaha ny tenanay aminy; fa tsy hendry ireny, satria manohatra ny tenanay amin’ ny tenany sy mampitaha ny tenany amin’ ny tenanay.