Bokin'ny Genesisy 1:21
Ary Andriamanitra nahary ny biby vaventy anaty rano sy ny zava-manan’ aina mihetsiketsika rehetra, izay efa betsaka ao amin’ ny rano, samy araka ny karazany avy, ary ny voro-manidina rehetra, samy araka ny karazany avy. Ary hitan’ Andriamanitra fa tsara izany.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Genesisy 1
Cross References
Genesis 1:18sy ho mpanapaka ny andro sy ny alina, ary hampisaraka ny mazava sy ny maizina. Ary hitan’ Andriamanitra fa tsara izany.
Genesis 1:31Ary hitan’ Andriamanitra izay rehetra nataony, ary, indro, tsara indrindra izany. Dia nisy hariva, ary nisy maraina, andro fahenina izany.
Genesis 6:20Ny vorona, samy araka ny karazany avy; ary ny biby, samy araka ny karazany avy, ary ny biby rehetra izay mandady na mikisaka amin’ ny tany, samy araka ny karazany avy, dia, roa avy samy araka ny karazany avy, dia roa avy isan-karazany no hankeo aminao hovelomina.
Genesis 8:17Ary ny zava-manan’ aina rehetra, izay eo aminao, avy tamin’ ny nofo rehetra, dia ny vorona sy ny biby fiompy sy ny biby rehetra izay mandady na mikisaka amin’ ny tany, dia ento mivoaka miaraka aminao; ary aoka hiteraka be eny ambonin’ ny tany sy ho maro anaka ary hihabetsaka eny ambonin’ ny tany ireny.
Genesis 9:7Koa ny aminareo, dia maroa fara sy mihabetsaha; miteraha be eny ambonin’ ny tany sy mihabetsaha eny.
Exodus 8:3Ary ny ombiasy mba nanao toy izany koa tamin’ ny fankatovany ka nampiakatra ny sahona ho eny amin’ ny tany Egypta.