Filazantsara araka an'i Lioka 1:13
Fa hoy ilay anjely taminy: Aza matahotra, ry Zakaria; fa efa nohenoina ny fangatahanao, ka Elizabeta vadinao dia hiteraka zazalahy aminao, ary Jaona no hataonao anarany.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
12Ary nony nahita azy Zakaria, dia taitra loatra izy ka raiki-tahotra.
14Ary ho faly sy ho ravoravo ianao; ary maro no hifaly amin’ ny hahaterahany.
Read all of Filazantsara araka an'i Lioka 1
Cross References
Genesis 17:10Ary izao no fanekeko ho amiko sy ho aminareo sy ny taranakao mandimby anao, dia izay hotandremanareo: hoforana ny lehilahy rehetra eo aminareo.
Genesis 18:14Fa moa misy zavatra mahagaga izay tsy hain’ i Jehovah va? Amin’ ny fotoan’ andro raha avy ny taona toy izao dia hiverina aminao Aho, ary Saraha hanana zazalahy.
Judges 6:23Fa hoy Jehovah taminy: Fiadanana anie ho anao; aza matahotra; tsy ho faty ianao tsy akory.
1 Samuel 1:20Ary tamin’ ny fahatanterahan’ ny andro dia nanan’ anaka Hana ka nitera-dahy, ary ny anarany nataony hoe Samoela, fa hoy izy: Tamin’ i Jehovah no nangatahako azy.
2 Kings 4:16Dia hoy izy: Raha mby amin’ ny fotoana, raha avy ny taona toy izao, dia hitrotro zazalahy ianao. Ary hoy ravehivavy: Tsia, ry tompoko, lehilahin’ Andriamanitra, aza mandainga amin’ ny ankizivavinao.
Psalms 118:21Hidera Anao aho, fa efa namaly ahy Hianao Ka efa famonjena ahy.