Genesis 2:5
Ny hazo madinika famboly dia tsy mbola nisy teo amin’ ny tany, ary ny anana famboly tsy mbola nisy naniry; fa tsy mbola nampilatsaka ranonorana tambonin’ ny tany Jehovah Andriamanitra, ary nisy olona hiasa ny tany;
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
6nefa nisy zavona niakatra avy tamin’ ny tany ka nandena ny tany rehetra.
Cross References
Genesis 1:11Ary Andriamanitra nanao hoe: Aoka ny tany haniry ahitra sy anana mamoa ary hazo fihinam-boa izay mamoa, samy araka ny karazany avy, ka manam-boa ao aminy, eny ambonin’ ny tany; dia nisy izany.
Genesis 4:2Ary niteraka an’ i Abela rahalahiny koa izy. Ary Abela dia mpiandry ondry, fa Kaina kosa mpiasa tany.
Job 5:10Dia Izay mampilatsaka ranonorana etỳ ambonin’ ny tany ary mampandeha rano eny amin’ ny saha,
Psalms 65:9Dia matahotra noho ny famantaranao ny mponina any am-paran’ ny tany; ny any amin’ ny fiposahan’ ny maraina sy ny hariva no ampihobinao.
Psalms 135:7Mampiakatra zavona avy amin’ ny faran’ ny tany Izy; Manao helatra arahin-dranonorana Izy; Mamoaka ny rivotra avy ao an-trano fitehirizany Izy,
Matthew 5:45mba ho tonga zanaky ny Rainareo Izay any an-danitra ianareo; fa Izy mampiposaka ny masoandrony amin’ ny ratsy fanahy sy ny tsara fanahy ary mampilatsaka ny ranonorana amin’ ny marina sy ny tsy marina.