Genesis 2:4
Ary izao no tantaran’ ny lanitra sy ny tany tamin’ ny namoronana azy, dia tamin’ ny nanaovan’ i Jehovah Andriamanitra ny tany sy ny lanitra:
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Genesis 1:1Tamin’ ny voalohany Andriamanitra nahary ny lanitra sy ny tany.
Genesis 1:28Ary Andriamanitra nitso-drano azy hoe: Maroa fara sy mihabetsaha ary mamenoa ny tany, ka mampanompoa azy; ary manjaka amin’ ny hazandrano ao amin’ ny ranomasina sy ny voro-manidina ary ny biby rehetra izay mihetsiketsika ambonin’ ny tany.
Genesis 5:1Ity no boky milaza ny taranak’ i Adama: Tamin’ ny andro namoronan’ Andriamanitra ny olona dia tahaka ny tarehin’ Andriamanitra no nanaovany azy;
Genesis 11:10Izao no taranak’ i Sema: Rehefa zato taona Sema, dia niteraka an’ i Arpaksada izy roa taona taorian’ ny safo-drano.
Genesis 25:19Ary izao no taranak’ Isaka, zanakalahin’ i Abrahama:
Genesis 36:9Ary izao no taranak’ i Esao, rain’ ny Edomita any an-tendrombohitra Seïra: