The Bible Software
bible.software › Bokin'ny Genesisy › Bokin'ny Genesisy 2 › Bokin'ny Genesisy 2:8

Bokin'ny Genesisy 2:8

Ary Jehovah Andriamanitra nanao saha tao Edena tany atsinanana, ka napetrany tao ralehilahy izay noforoniny.

Baiboly Malagasy (1865)

In The King James Version

And the LORD God planted a garden eastward in Eden; and there he put the man whom he had formed.

In Context

7Ary vovo-tany no namoronan’ i Jehovah Andriamanitra ny olona, ary nofofoniny fofonaina mahavelona ny vavorony; dia tonga olombelona izy.

9Ary nampanirin’ i Jehovah Andriamanitra teo amin’ ny tany ny hazo rehetra izay maha-te-hizaha sady tsara ho fihinana, ary ny hazon’ aina teo afovoan’ ny saha sy ny hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy.

Read all of Bokin'ny Genesisy 2

Cross References

Genesis 3:24Eny, noroahiny ny olona; ary nampitoeriny tany atsinanan’ ny saha Edena ny kerobima sy ny lelafon’ ny sabatra mihebiheby hiambina ny lalana mankany amin’ ny hazon’ aina.

Genesis 13:10Ary Lota nanopy ny masony ka nitazana ny tany rehetra teny amoron’ i Jordana hatrany akaikin’ i Zoara, fa azon-drano avokoa izy rehetra (talohan’ ny nandravan’ i Jehovah an’ i Sodoma sy Gomora izany), tahaka ny sahan’ i Jehovah sy tahaka ny tany Egypta.

Isaiah 51:3Fa Jehovah mampionona an’ i Ziona; Eny, mampionona izay rava rehetra ao Izy Ka manao ny efitra ao ho tahaka an’ i Edena. Ary ny tany foana ao ho tahaka ny sahan’ i Jehovah; Hafaliana sy haravoana no hita ao mbamin’ ny fisaorana sy ny feo fiderana.

Ezekiel 28:13Tany Edena, sahan’ Andriamanitra, ianao; Ny vato soa rehetra ny eloelo teo amboninao, dia ny karneola, ny topaza, ny onyksa, ny krysolita, ny beryla, ny jaspy, ny safira, ny robina, ny emeralda ary ny volamena; Ny fampanenoana ny ampongatapakao sy ny sodinao dia tao aminao, tamin’ ny andro namoronana anao dia natao koa ireo.

Ezekiel 31:16Tamin’ ny fiezinezin’ ny fianjerany dia nampihorohoroiko ny firenena, raha nampidiniko ho any amin’ ny fiainan-tsi-hita izy, ho naman’ izay midìna any an-davaka; Ary ny hazo rehetra any Edena, dia ny nojobonina sady soa indrindra any Libanona, dia izay mifo-drano rehetra, samy nampionona ny tenany any ambanin’ ny tany,

Joel 2:3Eo alohany misy afo mandevona, ary any aoriany misy lelafo mandoro; Tahaka ny saha Edena ny tany eo alohany, fa ny any aoriany kosa dia tahaka ny efitra foana, eny, tsy misy tsy azony.

This Verse In Other Editions

King James VersionBíblia Portuguesa MundialLuther Bibel (Deutsch)Bible Louis Segond (Français)Библия (Русский)新标点和合本성경 (한국어)الكتاب المقدس باللغة العربية، فان دايكBibbia Diodati (Italiano)Kinh Thánh (Tiếng Việt)Biblia Cornilescu (Română)Polish Biblia Gdanska (1881)Statenvertaling (Nederlands)

Study Bokin'ny Genesisy 2:8

Matthew HenryJamieson-Fausset-BrownAdam ClarkeJohn WesleyJohn CalvinKeil and DelitzschScofieldFamily Bible NotesGeneva Bible Notes (1599)
← Bokin'ny Genesisy 2:7Bokin'ny Genesisy 2Bokin'ny Genesisy 2:9 →