Bokin'ny Genesisy 29:13
Ary rehefa ren’ i Labana ny filazany an’ i Jakoba, zanak’ anabaviny, dia nihazakazaka nitsena azy izy ka namihina azy sy nanoroka azy ary nitondra azy ho any an-tranony. Dia nambaran’ i Jakoba tamin’ i Labana izany rehetra izany.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Genesisy 29
Cross References
Genesis 24:29Ary Rebeka nanana anadahy, Labana no anarany; dia nihazakazaka Labana nankeo amin-dralehilahy teo ivelany, teo am-pantsakana.
Genesis 45:15Ary dia nanoroka ny rahalahiny rehetra izy ka nitomany teo am-pamihinany azy; ary rehefa afaka izany, dia niresaka taminy ireo rahalahiny.
Exodus 18:7Ary Mosesy nivoaka hitsena ny rafozany, dia niankohoka sady nanoroka azy; ary nifampiarahaba izy mianaka, dia niditra tao an-day.
Luke 7:45Tsy mba nanoroka Ahy akory ianao; fa izy, hatr’ izay nidirako, dia tsy mbola nitsahatra nanoroka fatratra ny tongotro.
Romans 16:16Mifanaova veloma amin’ ny fanorohana masìna. Ny fiangonana rehetra an’ i Kristy manao veloma anareo.