Bokin'ny Genesisy 39:5
Ary hatramin’ izay nanendreny azy ho mpikarakara ny tao an-tranony mbamin’ izay rehetra nananany dia notahin’ i Jehovah ny tranon’ ilay Egyptiana noho ny amin’ i Josefa; ary ny fitahian’ i Jehovah nomba izay rehetra nananany, na ny tao an-trano, na ny tany an-tsaha.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Genesisy 39
Cross References
Genesis 19:29Ary raha noravan’ Andriamanitra ny tanàna tany amin’ ny tany lemaka, dia nahatsiaro an’ i Abrahama Andriamanitra ka namoaka an’ i Lota hiala teo afovoan’ ny horavana, tamin’ ny nandravany ny tanàna izay nonenan’ i Lota.
Deuteronomy 28:3Hotahina ianao ao an-tanàna, ary hotahina ianao any an-tsaha.
Psalms 21:6Lehibe ny voninahiny amin’ ny famonjenao; Laza sy voninahitra no nataonao taminy.
Acts 27:24ka nanao hoe: Aza matahotra, ry Paoly; fa tsy maintsy hitsangana eo anatrehan’ i Kaisara ianao; ary, indro, efa nomen’ Andriamanitra anao ny olona rehetra izay miaraka aminao.