Bokin'ny Salamo 21:6
Lehibe ny voninahiny amin’ ny famonjenao; Laza sy voninahitra no nataonao taminy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
5Aina no nangatahiny taminao, dia nomenao azy izany, dia andro lava mandrakizay doria.
7Fa nataonao ho fitahiana mandrakizay izy; ampifalinao indrindra amin’ ny tavanao izy.
Read all of Bokin'ny Salamo 21
Cross References
2 Samuel 7:9Ary nomba anao tamin’ izay nalehanao rehetra Aho, ka naringako tsy ho eo anoloanao ny fahavalonao rehetra, ary homeko anarana malaza tahaka ny anaran’ izay lehibe ambonin’ ny tany ianao.
Psalms 4:6Manatera fanati-pahamarinana, ary matokia an’ i Jehovah.
Psalms 43:4Dia hankany amin’ ny alitaran’ Andriamanitra aho, dia any amin’ Andriamanitry ny fifaliako indrindra; ary hidera Anao amin’ ny lokanga aho, ry Andriamanitra ô, dia Andriamanitro.
Psalms 63:2Andriamanitra ô, Andriamanitro Hianao; mitady Anao fatratra aho; mangetaheta Anao ny fanahiko, maniry Anao ny nofoko, eto amin’ ny tany maina sy mangentana tsy misy rano;
Luke 2:10Ary hoy ny anjely taminy: Aza matahotra; fa, indro, milaza teny soa mahafaly aminareo aho, dia fifaliana lehibe izay ho an’ ny olona rehetra;
Acts 2:28Nampahafantatra ahy ny lalan’ aina Hianao; Hampifaly ahy indrindra amin’ ny tavanao.