Bokin'ny Genesisy 41:52
Ary ny anaran’ ny zandriny kosa nataony hoe Efraima; fa hoy izy: Andriamanitra efa nahamaro ahy teto amin’ ny tanin’ ny fahoriako.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
53Ary tapitra ny taon-jina fito teo amin’ ny tany Egypta;
Read all of Bokin'ny Genesisy 41
Cross References
Genesis 28:3Ary Andriamanitra Tsitoha anie hitahy anao ka hahamaro fara anao sy hampitombo anao, mba ho tonga firenena maro ianao;
Genesis 30:6Ary hoy Rahely: Andriamanitra efa nanome ahy ny rariny sady efa nihaino ny feoko, ka nomeny zazalahy aho; izany no nanaovany ny anarany hoe Dana.
Genesis 48:16ny Anjely Izay Mpamonjy ahy tamin’ ny loza rehetra: Izy anie hitahy ireto zaza ireto; ary aoka ny anarako sy ny anaran’ i Abrahama sy Isaka raiko no hanononana azy, ary hitombo ho maro dia maro eo amin’ ny tany anie izy.
Genesis 50:23Ary hitan’ i Josefa ny zafiafin’ i Efraima; ny zanak’ i Makira koa, zanakalahin’ i Manase, dia noraisin’ i Josefa ho eo am-pofoany.
Joshua 14:4Fa firenena roa ny taranak’ i Josefa, dia Manase sy Efraima; ary tsy mba nomeny anjara teo amin’ ny tany ny taranak’ i Levy, afa-tsy ny tanàna honenany sy ny tany manodidina ny tanànany ho an’ ny omby aman’ ondriny sy ny fananany.
Joshua 17:1Ary nahazo zara-tany tamin’ ny filokana koa ny firenen’ i Manase (fa izy no lahimatoan’ i Josefa), dia Makira, lahimatoan’ i Manase, rain’ i Gileada, fa izy no mpanafika ka nahazo an’ i Gileada sy Basana.