Bokin'ny Genesisy 43:21
ary rehefa tonga teo amin’ izay nandrianay izahay, dia nosokafanay ny lasakanay, ka indreo ny volanay isan-dahy teo am-bavan’ ny lasakanay avy, tonga lanja avokoa ny volanay; ary efa nentinay niverina eto an-tananay izany.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
20Mba henoy kely izahay, tompokolahy: nidina hividy hanina tokoa izahay fahiny:
Read all of Bokin'ny Genesisy 43
Cross References
Genesis 43:12ary mitondra vola toraka ny teo eny an-tananareo; ary ilay vola izay naverina teo am-bavan’ ny lasakanareo dia ento miverina indray; angamba fahadisoana izany.
Genesis 44:8Indro fa ny vola izay hitanay teo am-bavan’ ny lasakanay aza naverinay indray tatỳ aminao avy tany amin’ ny tany Kanana; ka hataonay ahoana no fangalatra volafotsy na volamena ao amin’ ny tranon’ ny tomponao?
Romans 13:8Aza avela hisy tsy voaloa na amin’ iza na amin’ iza, afa-tsy ny fifankatiavanareo ihany; fa izay tia ny namany dia efa nahatanteraka ny lalàna.
Hebrews 13:18Mivavaha ho anay; fa matoky izahay fa manana fieritreretana tsara ka te-hitondra tena tsara amin’ ny zavatra rehetra.
1 Peter 3:16ka manàna fieritreretana tsara, mba ho menatra izay manaratsy ny fitondran-tenanareo tsara ao amin’ i Kristy, dia izay anendrikendrehana anareo.