Bokin'ny Genesisy 49:4
Mandroadroatra toy ny rano ianao ka tsy hanan-tombo, fa niakatra tamin’ ny fandrian’ ny rainao ianao, tamin’ izany no nandotoanao azy. Endrey, ny farafarako lahy, ka dia niakarany!
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
5SIMEONA sy LEVY dia mpirahalahy, fiadia-mandoza ny sabany;
Read all of Bokin'ny Genesisy 49
Cross References
Genesis 46:8Ary izao no anaran’ ny zanak’ Isiraely izay tonga tany Egypta, dia Jakoba sy ny zananilahy:
Deuteronomy 5:21ka hoy ianareo: Indro, efa nampahitain’ i Jehovah Andriamanitsika ny voninahiny sy ny fahalehibiazany isika, ary efa rentsika ny feony avy tao amin’ ny afo; koa efa hitantsika androany fa Andriamanitra miteny amin’ ny olona, nefa velona ihany izy.
Deuteronomy 33:6Aoka ho velona ROBENA, fa tsy ho faty, Nefa aoka ho vitsy olona izy.
1 Corinthians 5:1Efa re marina fa misy fijangajangana atỳ aminareo, eny, dia fijangajangana izay tsy misy tahaka azy na dia amin’ ny jentilisa asa, fa misy anankiray manambady ny vadin-drainy.
2 Peter 2:14manana maso feno fijangajangana, izay tsy mety mitsahatra amin’ ny fahotana: dia mamitaka ny tsy miorina tsara izy; ary mampaharatra ny fony amin’ ny hafatratry ny fitiavany harena, dia zanaky ny fanozonana izy;