Bokin'i Habakoka 1:16
Koa izany no amonoany zavatra hatao fanatitra ho an’ ny haratony sy andoroany ditin-kazo manitra ho an’ ny harato tarihiny; Fa ireo no ahazoany hanina matsiro sy anjara matavy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'i Habakoka 1
Cross References
Deuteronomy 8:17ary andrao ianao hanao anakampo hoe: Ny tanjako sy ny herin’ ny tanako no nahavoriako izao harena izao;
Isaiah 37:24Ny mpanomponao no nihaikanao ny Tompo hoe: Tamin’ ny kalesiko maro no niakarako tany an-tampon’ ny tendrombohitra, tao afovoan’ i Libanona; Ary hokapaiko ny sedera avo sy ny kypreso voafantina, dia hiditra any amin’ ny faran’ ny azo iakarana ao aho sy any amin’ ny alany midokadoka,
Ezekiel 29:3Mitenena, ka ataovy hoe: Izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Indro, avy hamely anao Aho, ry Farao, mpanjakan’ i Egypta, ilay dragona makadiry mamitsaka ao amin’ ny Neiliny, dia ilay efa nanao hoe: Ahy ny Neiliko, fa izaho no namorona azy ho an’ ny tenako.
Daniel 5:23fa niavonavona tamin’ ny Tompon’ ny lanitra ianao; ary ny fanaky ny tranon’ Andriamanitra dia nentina eto anatrehanao, ary ianao sy ny mpanolo-tsainao sy ny vadinao mbamin’ ny vaditsindranonao nisotro divay taminy; ary ianao nankalaza ny andriamanitra volafotsy sy volamena sy varahina sy vy sy hazo ary vato, izay tsy mahita, na mandre, na mahalala; fa Andriamanitra Izay mitana ny ainao sady Tompon’ ny alehanao rehetra dia tsy mba nankalazainao.