The Bible Software
bible.software › Bokin'i Habakoka › Bokin'i Habakoka 1 › Bokin'i Habakoka 1:15

Bokin'i Habakoka 1:15

Aingainy amin’ ny fintana izy rehetra, Samboriny amin’ ny haratony Ary sarihany amin’ ny harato tarihiny; Ka dia faly sy ravoravo izy.

Baiboly Malagasy (1865)

In The King James Version

They take up all of them with the angle, they catch them in their net, and gather them in their drag: therefore they rejoice and are glad.

In Context

14Ary manao ny olona ho toy ny hazandrano any an-dranomasina, Sy ho toy ny biby mandady sy mikisaka, izay tsy mana-mpanapaka?

16Koa izany no amonoany zavatra hatao fanatitra ho an’ ny haratony sy andoroany ditin-kazo manitra ho an’ ny harato tarihiny; Fa ireo no ahazoany hanina matsiro sy anjara matavy.

Read all of Bokin'i Habakoka 1

Cross References

Isaiah 19:8Dia hitomany ny mpaka hazandrano, ary hisaona ny mpamintana rehetra ao Neily, Ary ho reraka ny mpandatsaka harato amin’ ny rano.

Jeremiah 50:11Satria, mifaly sy miravoravo ianareo, ry mpamabo ny lovako, eny, mifalihavanja toy ny ombivavy kely mively vary ianareo sady maneno toy ny soavaly matanjaka;

Ezekiel 25:6Fa izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Noho ny nitehafanao tanana sy ny nitotoanao tamin’ ny tongotrao ary ny nifalian’ ny fonao tamin’ ny fanaovana tsinontsinona ny tanin’ ny Isiraely,

Ezekiel 29:4Ary hasiako farango ny valanoranonao, sady hampiraiketiko amin’ ny kiranao ny hazandrano ao amin’ ny Neilinao, dia hampiakariko avy eo afovoan’ ny Neilinao ianao, ary ny hazandrano rehetra amin’ ny Neilinao dia hiraikitra amin’ ny kiranao.

Amos 4:2Jehovah Tompo efa nianiana tamin’ ny fahamasinany hoe: Indro, ho avy aminareo ny andro hitarihany anareo amin’ ny farango sy izay sisa aminareo amin’ ny fintana.

Matthew 17:27Nefa andrao isika manafintohina azy, dia mankanesa ao amin’ ny ranomasina ianao, ka manjonoa; ary raiso izay hazandrano azo voalohany, ka rehefa sokafanao ny vavany, dia hahita vola sekely eo ianao; dia raiso izany, ka omeo azy ho avy amiko sy ianao.

This Verse In Other Editions

King James VersionBíblia Portuguesa MundialLuther Bibel (Deutsch)Bible Louis Segond (Français)Библия (Русский)新标点和合本성경 (한국어)الكتاب المقدس باللغة العربية، فان دايكBibbia Diodati (Italiano)Kinh Thánh (Tiếng Việt)Biblia Cornilescu (Română)Polish Biblia Gdanska (1881)Statenvertaling (Nederlands)

Study Bokin'i Habakoka 1:15

Matthew HenryJamieson-Fausset-BrownAdam ClarkeJohn WesleyJohn CalvinKeil and DelitzschScofieldFamily Bible NotesGeneva Bible Notes (1599)
← Bokin'i Habakoka 1:14Bokin'i Habakoka 1Bokin'i Habakoka 1:16 →