Bokin'i Habakoka 2:1
Hitsangana eo ambonin’ ny fitazanako aho Ary hijoro eo ambonin’ ny manda, Hiandry hahitako izay holazainy amiko Sy izay havaliko amin’ ny fitarainako.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'i Habakoka 2
Cross References
2 Kings 9:17Ary ny mpitily mitsangana teo an-tampon’ ny tilikambo teo Jezirela ka nahatazana fa indrery olona betsaka tamy niaraka amin’ i Jeho, ary hoy izy: Mahita olona betsaka aho. Ary hoy Jorama: Makà mpitaingin-tsoavaly, ka maniraha hitsena azy, ary asaovy manao hoe: Fihavanana va?
Job 23:5Ary hahalala izay teny havaliny ahy aho sy hamantatra izay holazainy amiko.
Job 31:37Ny isan’ ny diako dia hambarako aminy, ary tahaka ny fanakon’ ny zanak’ andriana no hanatonako Azy.
Psalms 73:16Dia nieritreritra ta-hahalala izany zavatra izany aho, kanjo sarotra teo imasoko izany.
Psalms 85:9Hihaino izay holazain’ i Jehovah Andriamanitra aho; Fa hilaza fiadanana amin’ ny olony Izy, dia amin’ ny olony masìna; Koa aoka tsy hiverina ho ao amin’ ny fahadalana ireo.
Isaiah 21:6Fa izao no nolazain’ i Jehovah tamiko: Mandehana, manendre tily; Ka izay hitany no aoka holazainy.