Bokin'i Habakoka 3:10
Nahita Anao ny tendrombohitra ka toran-kovitra; Mirotsaka ny ranonorana mivatravatra, Mamoa-peo ny lalina Sady manangan-tanana ho amin’ ny avo.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'i Habakoka 3
Cross References
Exodus 19:16Ary nony tamin’ ny marain’ ny andro fahatelo dia nisy kotrokorana sy helatra ary rahona matevina teo amin’ ny tendrombohitra, ary nisy feon’ anjomara mafy indrindra, dia toran-kovitra ny olona rehetra izay teo an-toby.
Joshua 4:18Ary rehefa niakatra niala teo afovoan’ i Jordana ka nanainga ny faladiany ho eo amin’ ny tanety ireo mpisorona izay nitondra ny fiaran’ ny faneken’ i Jehovah ireo, dia avy indray ny rano Jordana nankamin’ ny fitoerany ka nihoatra ny morony rehetra tahaka ny teo aloha ihany.
Judges 5:4Jehovah ô, fony nivoaka avy tany Seïra Hianao ary nandeha avy tany amin’ ny tany Edoma, dia nihorohoro ny tany, ary ny lanitra koa nitete; Eny, ny rahona matevina nitete rano.
Psalms 18:15Dia nandefa ny zana-tsipìkany Izy ka nampiely ny fahavaloko. Ary nampandeha helatra be ka nampifanaritaka azy.
Psalms 66:6Efa nampody ny ranomasina ho tany maina Izy; nandeha an-tongotra nita ny ony ny olona; tao no nifaliantsika tamin’ Andriamanitra.
Psalms 74:13Nampisaraka ny ranomasina tamin’ ny herinao Hianao; efa namakivaky ny lohan’ ny dragona tao anaty rano Hianao.