Bokin'i Habakoka 3:9
Nalan-tsarona ny tsipìkanao; Efa nianianana ny fikapohan’ ny teny. [Sela.] Namakivaky ny tany Hianao mba hisy ony.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'i Habakoka 3
Cross References
Genesis 17:7Ary haoriko ny fanekeko ho amiko sy ho aminao mbamin’ ny taranakao mandimby anao hatramin’ ny taranaka fara mandimby, ho fanekena mandrakizay, mba ho Andriamanitrao sy ny taranakao mandimby anao Aho.
Genesis 26:3Mivahinia eto amin’ ity tany ity ianao, dia homba anao sy hitahy anao Aho; fa ianao sy ny taranakao no homeko ireto tany rehetra ireto, ka hotoviko ny fianianana izay nataoko tamin’ i Abrahama rainao;
Exodus 17:6Ary, indro, hijanona eo anatrehanao eo ambonin’ ny harambato any Horeba Aho, dia hikapoka ny harambato ianao, ka hisy rano hivoaka avy aminy hosotroin’ ny olona. Dia nanao izany Mosesy teo imason’ ny loholon’ ny Isiraely.
Deuteronomy 32:23Havangongoko aminy ny loza betsaka; Ary holaniko aminy ny zana-tsi-pikako:
Psalms 7:12Mpitsara marina Andriamanitra, eny Andriamanitra Izay tezitra isan’ andro.
Psalms 78:15Namaky vatolampy tany an-efitra Izy, ka nampisotro azy nanaram-po tahaka ny amin’ ny rano lalina.