Bokin'i Habakoka 3:13
Mivoaka hamonjy ny olonao Hianao, dia hamonjy ny voahosotrao; Torotoroinao ny tapenaky ny tranon’ ny ratsy fanahy, Ka ahariharinao hatreo an-tenatenany ny fanorenany. [Sela.]
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
12Amin’ ny fahatezeranao no anitsahanao ny tany; Amin’ ny fahaviniranao no anosihosenao ny firenena.
Read all of Bokin'i Habakoka 3
Cross References
Exodus 12:29Ary nony namatonalina Jehovah namono ny lahimatoa rehetra tany amin’ ny tany Egypta, hatramin’ ny lahimatoan’ i Farao izay nipetraka teo ambonin’ ny seza fiandrianany ka hatramin’ ny lahimatoan’ ny babo izay tao amin’ ny trano-maizina, mbamin’ izay voalohan-teraky ny biby fiompy rehetra.
Exodus 15:1Ary Mosesy sy ny Zanak’ Isiraely dia nihira izao fihirana izao ho an’ i Jehovah ka nanao hoe: Hihira ho an’ i Jehovah aho, fa avo indrindra Izy; ny soavaly sy ny mpitaingina azy efa nariany ao amin’ ny ranomasina.
Joshua 10:24Ary rehefa navoaka ireo mpanjaka ireo ka nentina ho eo amin’ i Josoa, dia niantso ny lehilahy rehetra amin’ ny Isiraely Josoa ka nanao tamin’ ny mpitarika ny mpiady izay teo aminy hoe: Manatona, ka ataovy eo amin’ ny vozon’ ireto mpanjaka ireto ny tongotrareo. Dia nanatona izy ka nanao ny tongony teo amin’ ny vozon’ ireo.
Joshua 11:8Ary Jehovah nanolotra azy teo an-tànan’ ny Isiraely izay namely azy ka nanenjika azy hatrany Sidona lehibe sy hatrany Misrefota-mamia ary hatramin’ ny lohasaha Mizpa atsinanana; dia namely azy izy mandra-paha-tsy nisy niangana na dia iray akory aza.
Psalms 18:37Halalahinao ny lalana hodiaviko, ka tsy mangovitra ny hato-tongotro.
Psalms 28:8Jehovah no heriny, ary Izy no fiarovana mafy hamonjena ny voahosony.