Epistily ho an'ny Hebreo 13:17
Manekè ny mpitondra anareo, ka manoava azy; fa izy miambina ny fanahinareo araka izay tokony hataon’ ny olona mbola hampamoahina, mba hanaovany izany amin’ ny fifaliana, ta tsy amin’ ny fisentoana; fa tsy hahasoa anareo izany.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
16Fa aza manadino hanao soa sy hiantra; fa fanatitra toy izany no sitrak’ Andriamanitra.
Read all of Epistily ho an'ny Hebreo 13
Cross References
Exodus 32:31Ary Mosesy dia niverina ho ao amin’ i Jehovah ka nanao hoe: Indrisy! efa nanao fahotana lehibe ity firenena ity ka efa nanao andriamani-bolamena ho azy.
1 Samuel 15:19Koa nahoana ianao no tsy nihaino ny feon’ i Jehovah, fa nanao an-kazakazaka tamin’ ny babo ka nanao izay ratsy eo imason’ i Jehovah?
Isaiah 62:6Efa nanendry mpiambina ho eny ambonin’ ny mandanao Aho, ry Jerosalema ô, koa mandrakariva na andro na alina dia tsy mahazo mangìna ireny; eny, ianareo izay mpampahatsiaro an’ i Jehovah, aza mitsahatra;
Ezekiel 3:17Ry zanak’ olona, efa nataoko mpitily ho an’ ny taranak’ Isiraely ianao; ka dia hohenoinao ny teny avy amin’ ny vavako, ary avy amiko no hananaranao azy.
Ezekiel 33:7Koa ianao, ry zanak’ olona, dia efa notendreko ho mpitily ho an’ ny taranak’ Isiraely, ka raha mandre ny teny aloaky ny vavako ianao, dia izany no ho entinao mananatra azy.
Acts 20:24Nefa tsy ataoko ho zavatra akory ny aiko, mba hahavita ny alehako, dia ny fanompoana izay noraisiko tamin’ i Jesosy Tompo hanambara ny filazantsaran’ ny fahasoavan’ Andriamanitra.