Bokin'i Isaia 10:13
Fa izy manao hoe: Tamin’ ny herin’ ny tanako no nanaovako izany, sy tamin’ ny fahendreko, fa mahira-tsaina aho; Ary nanaisotra ny faritanin’ ny firenena aho sady namabo ny hareny, ary tahaka ny famotraky ny ombilahy no namotrahako mpanapaka;
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Judges 7:2Ary hoy Jehovah tamin’ i Gideona: Maro loatra ny vahoaka eo aminao, ka tsy hanolotra ny Midiana eo an-tànany Aho, fandrao hirehareha amiko ny Isiraely ka hanao hoe: Ny tanako ihany no namonjy ahy.
2 Kings 16:8Ary nalain’ i Ahaza ny volafotsy sy ny volamena izay hita tao an-tranon’ i Jehovah sy tao amin’ ny rakitry ny tranon’ ny mpanjaka, dia nampanateriny ho fanomezana ho an’ ny mpanjakan’ i Asyria.
2 Kings 17:24Ary ny mpanjakan’ i Asyria nitondra olona avy tany Babylona sy Kota sy Ava sy Hamata sy Sefarvaima ka namponina azy teny amin’ ny tanànan’ i Samaria nisolo ny Zanak’ Isiraely; dia nahazo an’ i Samaria ireny ka nitoetra teny amin’ ny tanànany.
2 Kings 18:15Ary Hezekia nanome azy ny volafotsy rehetra izay hita tao an-tranon’ i Jehovah sy tao amin’ ny rakitry ny tranon’ ny mpanjaka.
2 Kings 19:22Fa iza no nohaikainao sy nompanao? Ary hanohitra an’ iza no nanandratanao ny feonao sy nampiandrandranao ny masonao any ambony hanohitra ny Iray Masin’ ny Isiraely.
1 Chronicles 5:26Ary Andriamanitry ny Isiraely namporisika an’ i Pola, mpanjakan’ i Asyria, sy Tiglato-pilesera mpanjakan’ i Asyria, ka dia nobaboin’ ireo ny Robenita sy ny Gadita sy ny antsasaky ny firenen’ i Manase ka nentiny tany Hala sy Habora sy Hara ary tany amoron’ ny ony Gozana ambaraka androany.