Bokin'i Isaia 13:22
Ny kary no hifampierena ao an-tranobeny, ary ny amboadia ao amin’ ny lapa nanaranam-po; efa antomotra ny fotoany, ary ny androny tsy hatao ela.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Isaiah 14:23Ary hataoko fonenan’ ny sokina sy fihandronan’ ny rano izy, ary hofafako kifafa fandringanana izy, hoy Jehovah, Tompon’ ny maro.
Isaiah 34:13Ary ho rakotry ny tsilo ny ao anatin’ ny lapan’ ny mpanjakany, amiana sy voaroy no ho ao amin’ ny trano fiarovany; Ary ho fonenan’ ny amboadia sy fitoeran’ ny ostritsa izy.
Isaiah 35:7Ny alonalona mitarehin-drano dia ho tonga farihy tokoa, ary ny tany mangentana ho loharano miboiboika; Ny fonenana izay amitsahan’ ny amboadia dia haniry volotara sy zozoro.
Ezekiel 7:7Mby akaiky ny anjaranao, ry mponina amin’ ny tany; Mby akaiky ny fotoana, efa antomotra ny andro, dia akoran’ ady, fa tsy fihobiana, eny an-tendrombohitra.
Zephaniah 2:14Ary hisy andiany handry ao aminy, Dia fivorian’ ny karazam-biby samy hafa, Ny sama sy ny sokina hitoetra ao amin’ ny kapitaliny; Feo mikiririoka no ho re ao am-baravarankely, Ary fandravana no ho eo an-tokonana, Fa hendahany ny rafitra sedera.
2 Peter 3:9Ny Tompo tsy mahela ny teny fikasany, araka izay ataon’ ny sasany ho fahelany; fa mahari-po aminareo Izy, ka tsy tiany hisy ho very, fa mba ho tonga amin’ ny fibebahana izy rehetra,