Bokin'i Isaia 21:1
Faminaniana ny amin’ ny loza hanjo ny Efitra Ranobe. Tahaka ny firimorimon’ ny tadio any atsimo no fihaviny avy any an-efitra, dia avy any amin’ ny tany mahatahotra.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Job 37:9Avy any atsimo ny tadio, ary entin’ ny rivotra avy any avaratra ny hatsiaka.
Isaiah 13:4Injany! ny horakoraka any an-tendrombohitra, tahaka ny an’ ny vahoaka be! Dia ny fitabataban’ ny fanjakan’ ny firenena efa tafatambatra! Jehovah, Tompon’ ny maro, no manomana miaramila hiady,
Isaiah 13:17Indro, hamporisihiko hamely azy ny Mediana, izay manao ny volafotsy tsy ho zavatra ary tsy mankamamy ny volamena.
Isaiah 14:1Fa Jehovah hamindra fo amin’ i Jakoba, ary mbola hifidy ny Isiraely indray ka hamponina azy ao amin’ ny taniny; ary ny vahiny hikambana aminy, ary ny taranak’ i Jakoba ho namany
Isaiah 14:23Ary hataoko fonenan’ ny sokina sy fihandronan’ ny rano izy, ary hofafako kifafa fandringanana izy, hoy Jehovah, Tompon’ ny maro.
Isaiah 47:1Mialà, ka mipetraha amin’ ny vovoka, ry Babylona, zanakavavy virijina! Mipetraha eo amin’ ny tany, fa tsy amin’ ny seza fiandrianana, ry Kaldea zanakavavy! Fa tsy hatao hoe vehivavy malemilemy sy mihantahanta intsony ianao.